airtel

Actualités

21-août-2024

KAOMININA ALASORA

Maimaimpoana ny fanamboarana kopia ho an’ny mpianatra

Sample post image

Toy ny fanaony isan-taona dia miezaka manao izay vitany ny kaominina Alasora,

21-août-2024

tarihin’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy entina hanampiana ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra rehefa fidiran’ny mpianatra tahaka izao. Amin’ny alalan’ny fanamboarana kopia fohy maimaim-poana no hanatontosany izany izay vita ao anatin’ny 5 na 10 minitra ihany koa fa tsy mihoatra izay. Nanomboka afak’omaly Alatsinainy 19 Aogositra ny hetsika ka tamin’io andro io fotsiny dia efa nahatratra 150 ireo Ray aman-dReny tonga nikarakara izany. Mety mahatratra hatrany amin’ny 500 isa izany rehefa tena betsaka raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana hatrany ka mifanome tanana amin’ny fanamboarana izany avokoa ireo mpiasan’ny kaominina. Notsiahiviny moa fa tsy hijanona amin’ny fanamboarana kopia fohy maimaim-poana tahaka izao ny hetsika hataon’ny kaominina. Hisy ihany koa mantsy amin’ny datin’ny 31 Aogositra ho avy izao ny fanatanterahana ilay fitsarana mitety vohitra ka ankizy latsaky ny 18 taona miisa 200 no ezahina omena kopia mari-pahaterahana mandritra izany mna ho fisitrahan’izy ireo ny zony amin’ny maha-olom-pirenena feno azy.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’ny kaominina Alasora !

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap