airtel

Actualités

22-janv-2025

Kaominina Ambohibary

distrikan’Antsirabe Andoavana 30 000Ar ny fanaovana karapanondro

Sample post image

Efa ela no mimenomenona amin'ny fahasarotan'ny fikarakarana taratasy ao amin'ny kaominina Ambohibary

22-janv-2025

ao amin'ny Distrika Antsirabe ireo mponina ao amin'io kaominina io. Mandany fotoana ihany koa ny fiandrasana ny fahavitan'ny taratasy kanefa dia misy ny mandeha an-tongotra ora maro mihitsy vao tonga ao amin'ny biraon'ny kaominina, hoy ny fizaram-baovaon’ireo mponina. Ny tena manahirana dia ny fitakiana vola mihoampampana amin'ireo mpikarakara taratasy. Voalohany amin'izany, andoavana 2000 ar ny fanaovana kopia nahaterahana, manaraka izay ny fanaovana karapanondrom-pirenena dia andoavana vola 30 000 ar, misy aza tafakatra hatramin'ny 50 000 Ar mihitsy izany rehefa tsy mahandry ny familafilana ataon'ny mpiasan'ny kaominina, hoy ny fitarainana. Ara-toekerana, ny fahatongavan'ny orinasa lehibe iray mpamboly legioma tao an-toerana, izay mampiasa tanora maro rehefa fotoana fiotazana dia mampirohotra mankany ireo izay manana karapanondro sy afaka miasa. Tsy mandray kosa izy ireo raha vao tsy ampy taona na tsy manana ny karampanondrom-pirenena hany ka manararaotra ihany koa ny kaominina. Ankoatra izay dia ahelin'ireo mpiasa ao amin'ny kaominina ihany koa ny fa efa tsy manan-kery ao aminy ireo karapanondro tao amin'izy ireo raha toa ka ampiasaina amin'ny resaka fananan-tany sy ny fizaram-panana, hany ka tsy mahatoky mihitsy ireo olona avy any ambanivohitra raha resena lahatra ny hanao karapanondro amina kaominina hafa na vao sambany hanao izany aza, hoy ny fitarainana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap