airtel

Actualités

16-oct-2025

KAOMININA AMBONIVOHITR'I TOLIARA

16 volana tsy nandray karama ny Mpiasa

Sample post image

Nitokona nanomboka omaly Alarobia 15 Oktobra

16-oct-2025

ireo mpiasa rehetra eo anivon'ny kaominina ambonivohitr'i Toliara. Efa 16 volana tsy nandray karama mantsy izy ireo hoy ny vaovao azo nefa mamelom-bady aman-janaka, manofa trano...avokoa. Takian'izy ireo araka izany ny hanovana ny fitantanam-bola ho Budget Général raha Budget Autonome izany teo aloha mba hisian'ny Mangarahara. Fantatra moa fa mikasa handray mpiasa vaovao maherin'ny 50 isa ny kaominina atao koa mampitandrina ny tompon'andraikitra ireo mpiasa mitokona ireo hisorohana ny olana mety hitranga. Miantso ny tokony hijerena manokana ireo misotro ronono ihany koa moa ireto mpiasa ireto. Niroso tamin'ny fanaovana "service minimum" aloha araka izany izy ireo izay mety hihafara amin'ny fanakatonana ny kaominina raha tsy mivaly haingana ireo fitakiana ireo. Betsaka araka izany ireo olona nila raharaha tao amin'ny kaominina omaly no niverim-potsiny.
Nangonin'i Pati
Légende : Nandritra ny fitokonana nataon'ireo mpiasan'ny kaominina !
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap