airtel

Actualités

08-sept-2025

KAOMININA AMPITATAFIKA

Ankizy sahirana miisa 20 nampidirin'ny kaominina nianatra

Sample post image

Mitombo isan-taona ireo Ray aman-dReny tonga manatona

08-sept-2025

ny kaominina mba hangataka fanampiana rehefa ankatoky ny fidiran'ny mpianatra tahaka izao. Ho an'ny kaominina Ampitatafika, distrikan'Atsimondrano manokana dia nambaran'ny Ben'ny tanana Rado Ramparaoelina fa tena mila tsy ho araka intsony ny manampy azy ireny. Lasa be dia be ihany koa mantsy raha araka ny fanazavany ireo olona tsy mahita hanin-ko hanina intsony ka tonga manatona manangataka fanampiana ao amin'ny kaominina. Tena sahirana ny olona hoy izy, indrindra fa tamin'ity taona 2025 ity. Voatery noferan'ny kaominina ho 20 isa noho izany ireo ankizy sahirana nomeny fanampiana sy nampidiriny nianatra tamin'ity taom-pianarana 2025-2026 ity. Tsara moa ny mampahatsiahy fa hahazo efitrano vaovao miisa 3 ny sekoly ambaratonga fototra ao Ampitatafika vaovao. Ny tanimenabe no nanome ny tany mirefy 500 m2 hanamboarana ny foto-drafitrasa. Ry zareo Irlande du Nord sy Grande Bretagne kosa no mpamatsy vola izay tsiahivina fa efa vonona tanteraka miaraka amin'ny fitaovana toy ny dabilio sy arimoara. Tafiditra ao anatin'io fanampiana omen'ny mpamatsy vola io ny fanangana trano fivoahana vaovao ho an'ity EPP iray ity.
Pati
Légende : Rado Ramparaoelina, Ben'ny tananan'Ampitatafika !

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap