airtel

Actualités

17-déc-2025

KAOMININA AMPITATAFIKA

Fahombiazana ny taona 2025

Sample post image

Fahombiazana tanteraka ity

17-déc-2025

taona 2025 ity ho an'ny kaominîna Ampitatafika, distrikan'Atsimondrano, raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny tanana Rado Ramparaoelina. Raha 100 % mantsy ny fidiram-bola tokony notratrarina sy nandrandraina dia tafiakatra hatrany amin'ny 200% izany vokatry ny ezaka nataon'ny Ben'ny tanana sy ireo mpiara-miasa aminy. Voaloha ara-dalana avokoa vokatr'izany ny karaman'ny mpiasa sy ny CNAPS taona 2025. Mbola hisy ihany koa ny fanampiana ireo olona sahirana miisa 400 amin'ny alalan'ny fizarana panier garni hahafahan'izy ireo miatrika ny Fetin'ny Noely sy ny faran'ny taona. Notsiahivin'ny Ben'ny tanana Rado Ramparaoelina moa fa nanomboka ny 25 Septambra nisian'ny hetsika nandravana ny Fitondrana Rajoelina no tena nampilaminabe ny fidiram-bola teo anivon'ny kaominîna tantanany. Maro tamin'ireo kaominîna teo amin'ny manodidina mantsy no nikatona ka nitombo izaitsizy ireo olona tonga nila raharaha tao amîn'izy ireo. Tanjon'ny kaominîna Ampitatafika araka izany ny hanohy ny ezaka efa natombony amin'io taona vaovao 2026 ho avy io.
Pati
Légende : Hofanome tanana hampandroso ny kaominîna hatrany ny Ben'ny tanana Rado Ramparaoelina sy ireo mpiara-miasa aminy!!
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap