distrikan’Atsimondrano. Taorian’ny nandraisan’ny Ben’ny tanana Rasamison Haja ny fitantanana ny tanana indray mandritra ny 5 taona ho avy dia nirotsaka nanadio tanana izy sy ireo mpiara-miasa aminy nanomboka omaly Alarobia 29 Janoary ka tao amin’ny Fokontany Akany Sambatra no nisantarany izany. Ho entina hitety ireo Fokontany miisa 7 mandrafitra ny kaominina ny asa raha araka ny fantatra ka amin’io herinandro ho avy io dia hitohy ao Andranonahoatra indray izany. Ankoatra izay dia fantatra fa hikarakara ny CEG ao Andranonahoatra ihany koa ny kaominina saingy ny fitadiavana ny tany no mbola olana hahafahan’ny zana-bahoaka rehetra mianatra. Hojerena daholo ihany koa ny lalana eny amin’ny Fokontany tsirairay avy arahin’ny asa fanadiovana ny tata-drano. Hisy ireo faritra hovolena tetezan-kazo ny lalana miditra any aminy ho fanampiana azy ireo mandritra ny fotoam-pahavaratra. Miantso ny mponina ao anatin’ny kaominina mba hanaja ny fahadiovana araka izany ity Ben’ny tanana ity. Toraka izany koa ny fandoavan-ketra, lalam-bola iray hahafahan’ny kaominina ambanivohitra manao ny asa fampandrosoana mipaka any amin’ny isan-tokantrano.
Pati
Legende : Raikitra ny asa fanadiovana tanterahin’ny kaominina Andranonahoatra !
Ny 15 aprily 2025 teo no voalaza fa efa hita ny marimaritra iraisana teo amin’ny
Manana akora fototra maro isan-karazany i Madagasikara, ary manana tany
Namoaka vokatra vaovao ny orinasam-pifandraisana Airtel hiarovana ny mpanjifa amin'ireo
Zatovovavy kely iray vao 17 taona monja monina eny Sabotsy Namehana
Olona 7 mianaka indray no fantatra fa tratran'ny fanapoizinana ara-tsakafo
Teratany vahiny iray monina eny Andranovelona Ilafy no mampitaraina ny mponina