Anisan’ireny ny fihainoana ny olan’ny vahoaka eny ifotony. Anisan’ny tena mampitaraina fatratra ny mponina eto an-drenivohitra ohatra amin’izao ny fidangan’ny hetran-trano. Tafakatra 3 hetsy Ar ny vola aloha amin’ny efitrano kely iray ao anatin’ny taona iray….Izany indrindra no antom-pisian’ireo fikambanana miisa 7 niara-nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina omaly. Hanampy ny Ben’ny tanàna no antom-pisian’iretsy voalohany ka anisan’ny tanjona ny hahafahana mitatitra ny hetahetan’ny mponina sy ny maharary azy amin’ny lafiny rehetra hahafahana manatsara zavatra. Ankoatra ireo voalaza ireo moa dia fantatra fa hijery akaiky ny resaka fahadiovana sy ny fiainan’ny mponina eny anivon’ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny ihany koa ireo fikambanana ireo ka anisan’ny tanjony ny hanabe amin’ny lafiny rehetra manomboka any amin’ny fanitsiana ny fisainana ka hatrany amin’ny fampiharana izany.
Pati
Legende : Nandritra ny fifanaovan-tsonia notanterahin’ny roa tonta omaly
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny