airtel

Actualités

04-sept-2024

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Miandry ny fihaonana amin’ny PDS ireo mpanolontsain’ny tanana

Sample post image

Nandray ireo mpiasa sy tompon'andraikitra eo anivon'ny Kaomina Antananarivo renivohitra izay manaraka fiofanana

04-sept-2024

manokana eny amin'ny Sekolim-pirenena manofana ho mpiasam-panjakana (ENAM) ny Filohan’ny Delegasiona manokan’Antananarivo renivohitra Ramanantsoa Harilala omaly Talata 03 Septambra maraina. Notsongaina manokana izy ireo, amin'ny maha-tompon'andraikitra ifotony azy, mba ho fampiroboroboana ny fanjakana tsara tantana eo anivon’ny kaominina. Mahakasika indrindra ny fitantanana amin'ny ankapobeny sy ny fitantanam-panjakana rahateo ny fiofanana arahin’izy ireo. Isan'ireo mpiasa sy tompon'andraikitra manaraka fiofanana ny Tale jeneralin'ny SMA izay misy ny sampandraharaha mpitantana ny fako eto Antananarivo renivohitra sy ny tale jeneralin'ny SMEV. Anisan’ny andrasan’ny maro ihany koa moa ny famahan’ny PDS amin’izao fotoana ny resaka tsena izay tena mampitaraina fatratra ny maro ankoatra ny fihaonana amin’ireo mpanolon-tsain’ny tanana. Milaza mantsy ny ankamaroan’ireto farany fa manana fitarainana maro avy amin’ny vahoaka tokony hohenoin’ny PDS sy horaisiny ihany koa.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ny PDS tamin’ireo tompon’andraikitra omaly . 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap