airtel

Actualités

30-sept-2022

Actualités

Kaominina Ivato Hisy fotodrafitrasa goavana hitsangana

Sample post image

Raha tsy misy ny sampona. Hitokana fotodrafitrasa goavana eto isika amin'ny faran'ny taona. Hanomboka ny asa marobe”, hoy ny Fiadidian’ny tanànan’Ivato tarihin’ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa.

30-sept-2022

Niara-nidina nijery ny toerana hanaovana ireo fotodrafitrasa hatao ao amin'ny kaominina Ivato mantsy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa ny androan’ny omaly alakamisy 29 septambra 2022. Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona ny asa maro, toy ny kianja mitafo na Gymnase, kianja filalaovana baolina ho an’olona 7, kianja fanaovana basket, boulodrome,... raha ny fampanantenana. Tsy izay ihany fa goavana indrindra amin’izany ny biraon'ny kaominina izao hatao manara-penitra. Nankasitraka ny Filoha ny ben’ny tanàna amin'ny tsy ijereny loko politika fa mikendry fampandrosoana kosa, hoy ny fanamarihana. Tsara rahateo no mampahatsiahy, fa ben’ny tanàna lany tamin’ny lokon’ny Antoko TIM ny ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa, izay efa fe-potoam-piasana roa izao no nitondrany ny tanàna, saingy niara-niasa hatrany tamin’ireo mpitondra nifanesy teo na manga na volomboasary, mba tsy haha lasa sorona noho ny loko politika ny kaominina Ivato izay vavahadin’i Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap