airtel

Actualités

16-janv-2023

Actualités

Kaominina Mandrosonoro Zaza 4 mianadahy no maty nilatsaham-baratra

Sample post image

Zaza 4 mianadahy no maty nilatsaham-potaka na nilatsaham-baratra tao amin'ny tanàna iray anatin'ny fokontany Masindia, kaominina Mandrosonoro, distrikan'Ambatofinandrahana,

16-janv-2023

ny tolakandron’ny 12 janoary 2023 teo, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Nirehitra ny trano nisy azy ireo vokatr'ilay varatra. Tsikaritra ho masiaka mihitsy ny varatra tato ho ato izay. Araka ny fanazavan’ireo mpandinika moa dia ankoatran’ny fahaizana milalao azy itony hananan’ireo mpilalao varatra, indrindra, any amin’ny tontolo ambanivohitra any dia misy hifandraisany amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana sy tsy fanajana ireo fady na antony ara-tsiantifika mampasiaka varatra ihany koa ny fitrangan’ireo toe-javatra toy itony. Isan’ny halam-baratra, ohatra, ny loko mena, ny manamorina omby, ny finday mifampikasoka amin’ny nofo ary ireo fitaovan-tserasera ampanenoina mafy toy ny fahitalavitra sy onjapeo, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,

Card image cap
22-mai-2025

Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly

Card image cap
22-mai-2025

Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana

Card image cap
22-mai-2025

An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.

Card image cap
22-mai-2025

Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :

Card image cap
21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap