airtel

Actualités

18-août-2025

KAOMININA TALATAMATY

Asiana jiro daholo ny Fokontany

Sample post image

Mitohy ny ady amin'ny tsy fandriampahalemana ho an'ny kaominina ambanivohitr'i Talatamaty,

18-août-2025

distrikan'Ambohidratrimo. Fokontany maromaro no nametrahana jiro ho fiarovana ny ain'ny mponina sy ny fananany. Anisan'izany ny ao amin'ny Fokontany Imerinafovoany sy ny Fokontany ao Mamory izay hitohy isan-kerinandro. Taorian'ny fitetezana Fokontany nataon'ny Ben'ny tanana Raharinoasy Elie Dominic no nahitana ny olana mianjady amin'ireo Fokontany ireo izay tsiahivina fa midina mijery ifotony hatrany, mihaino ny hetahetam-bahoaka. Toraka izany koa ny Filohan’ny Filan-kevitra Kaominaly izay mijoro i ho Ray aman-dReny miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ireo karazana asa fampandrosoana ao Talatamaty. Ankoatra ny resaka jiro manazava ny tanana moa dia mandeha ihany koa ny asa fanadiovan-tanana ao anatin'ity kaominina iray ity. Mifanome tanana amin'izany ireo tompon'andraikitra sy ny fokonolona.
Pati
Légende : Efa mazava tongan'ny jiro tahaka izao ny tananan'i Talatamaty !

 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap