airtel

Actualités

16-oct-2025

KAOMININA TALATAMATY

Mitohy ny asa fampandrosoana na dia misy aza ny mpanenjika

Sample post image

Mitohy ny asa fampandrosoana ho

16-oct-2025

an'ny kaominina Talatamaty, distrikan'Ambohidratrimo na dia misy aza ny mpanenjika hoy ny Ben'ny tanàna Raharinoasy Elie Dominic. Taorian'ny fanaparitahana ireo jiro manazava ny tanana ho enti-miady amin'ny tsy fandriampahalemana dia efa tafapetraka ihany koa ny andrimasom-pokonolona isam-pokontany ho fiarovana ny mponina sy ny fananany. Izany no antom-pisiako eto sy maha-Ben'ny tanana ahy hoy Raharinoasy Elie Dominic. Ny hitsinjo sy hitady izay mahasoa ny vahoaka no tanjona. Mikasika ny biraon'ny kaominina vaovao natsangana moa dia fantatra fa kely sisa izany dia vita tanteraka ary azo hiasana avy hatrany. Ho avy ihany koa ny fizarana valisoa ho an'ireo mpianatra nahazo naoty tsara farany teo ka afa-panadinana CEPE sy BEPC soa aman-tsara. Efa nahazo ny anjarany tamin'ny alalan'ny fitondran'ny kaominina nitsangatsangana azy tany Foulpointe kosa ireo afa-panadinana Bakalorea. Tongotra mby an-dakana hatrany araka izany ny dian-dRaharinoasy Elie Dominic ho fampandrosoana an'i Talatamaty.
Pati
Légende : Raharinoasy Elie Dominic, Ben'ny tananan'ny Kaominina Talatamaty !

 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap