airtel

Actualités

13-févr-2024

Kaominina Talatamaty

Namboly hazo 1000 fototra teny Andranovelona Ankazobe

Sample post image

Tontosa ny faran’ny herinandro teo teny Andranovelona Ankazobe

13-févr-2024

ny fambolen-kazo ny kaominina Talatamaty anatin’ny Ambohidratrimo, izay notarihin'ny ben’ny tanàna Atoa Elie Dominique sy ireo mpiara-miasa rehetra ao anatin'ny anatin’io kaominina io, nahitana ihany koa ireo mpanolontsaina kominaly voafidy teo an-toerana. Tsy nanavahana na izay na iza ka nandray anjara mavitrika ihany koa ireo solontenan’ny Fokontany miisa 12 izay notarihin'ireo Filoha sy mpiara-miasa, ary tsy diso anjara ireo fikambanana maro misahana ny sosialy Mponina AUE, ny Mpanetana ara-pahasalamana, solotenan'ny klioba mpanao fanatanjahatena. Manodidina ny 200 teo nanatanteraka izany adidy masina ho an'ny Tanindrazana izany ho fanamaintsoana indray ity Nosintsika ity sady fiarovana tontolo iainana lovainjafy sy ho fiatrehana ny fiovaovan'ny toetr’andro, hoy hatrany ny tatitra. Zanankazo miisa 1000 fototra noho izany no voavoly, ka taorian’izay dia
nisy fiarahana niala voly narahina fanentanana rehetra. Nankasitraka ny Koperativa Cotisse izay izay niantoka ny fitaterana ireo nandray anjara tamin'ny fambolen-kazo ihany koa ny rehetra.
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap