Somary sady mahatsikaiky ihany no mampametra-panontaniana maro ny filazana fikarohana navoakan’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka omaly. Kaomiseran’ny polisy, kilasy voalohany, «3ème échelon», I.M : 268.573, lehiben’ny sampan-draharaham-paritra momba ny fanaraha-maso sy loharanom-baovao mikasika ny fifindra-monina sy fitsoaham-ponenana ao Alaotra Mangoro antsoina hoe Randrianiaina Stanislas no nanaovana izany omaly. Araka ny fampahafantarana voasoratra moa dia ny 12 febroary 2021 izy no efa tsy hita fa niala tamin’ny andraikiny na nanao «abandon de poste» ary tsy fantatra koa ny anton’izany. Aty amin’ny 12 jona 2023 izany vao nivoaka ny filazana fikarohana azy. Izay mihitsy ve ilay fomba fiasa sa inona no anton’ilay fikarohana ho aty amin’ny 2 taona mahery vao atao? Fa angaha moa tsy hoe rehefa tsy hita 48 ora ny olona iray no ambara fa tsy hita popoka na very ka karohina amin’izay? Santionan’ny fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao izany ka dia miandry ny valinteny sy fanazavana avy amin’ny tomponandraikitra moa izany ny rehetra.
J. Mirija
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,