airtel

Actualités

19-févr-2025

Karama sy tombotsoa be an’ny Minisitra

Nikorapaka sy nandiso ny resaka niely ny governemanta

Sample post image

Mikarama 9 000 000ar isam-bolana ireo minisitra ! Ankoatran'ny tambi-karama samihafa (Indemnité forfaitaire de fonction; Indemnité de représentation ;

19-févr-2025

Indemnité de risque et sujétion) mitentina manodidina 10 000 000ar isam-bolana ho an'ny praiminisitra, 8 000 000ar ho an'ny minisitra, afa-ketra, dia mandray karama, manodidina ny 9 000 000ar isam-bolana ny minisitra iray. », hoy ny fizaram-baovao nataon’Atoa Patrick Raharimanana omaly izay narahiny porofo tamin’ny alalan’ireo andinin-dalàna mamaritra izany. Ny solika sy fiara, finday, fahana, mpamily, mpiambina, dia ny ministera no mandamina an'izay. Mahazo trano ministera ipetrahana izy, na omena vola 3 000 000ar isam-bolana, solon'ny hofantrano. Vao mandray ny asa maha minisitra azy izy, dia omena 5 000 000Ar « Indemnité spéciale d'équipement » isaky ny fanendrena. Ny Praiminisitra kosa mandray 6 000 000ar, isaky ny fanendrena. Rehefa rava izany ny governemanta, ka misy fanendrena vaovao, ka miverina ny minisitra, na Praiminisitra, dia mahazo Indemnité spéciale d'équipement vaovao izy. Raisiny mandritra ny 6 volana aorian'ny fialany minisitra ireo tombotsoa ireo, ankoatran'ny indemnité, sy hofantrano, izay mijanona avy hatrany vao miala minisitra izy. Ny praiminisitra kosa misitraka manokana ireo tombotsoa azon'ny lehiben'ny Andrim-panjakana teo aloha, rehefa miala izy, hoy hatrany io fizarana sy fampahafantarana io. Nisy ihany koa ny famoahana fa manodidina ny 17 000ar - 21 000ar isam-bolana ny tambi-karama mpampianatra, miankina amin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena sy ara-tekinika, izay nihatra nanomboka ny janoary 2020, izay tena mahonena mitaha amin’ny sora-bola voalaza etsy ambony.

VAOVAO DISO, HANDRAY FEPETRA IZAHAY…
Andaniny, namoaka fanambarana ny Minisiteran’ny toekerana sy ny vola omaly takariva, izay manana endrika mandiso na mitsikera ity fizarana sy fampahafantarana ity. « Manoloana ny fanelezana vaovao diso mikasika ny tambin-karama raisin'ny mpikambana ao amin'ny Governemanta dia manambara ny Ministeran'ny Fitantanam-bola fa tsy mbola nisy fampiakarana izany tambin-karama izany nanomboka tamin'ny taona 2018 ka hatramin'ny andro anio. », hoy ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny vola. Ny didim-panjakana noraisina tamin'ny faha 04 febroary 2025 voalazan'ireo nanely io vaovao diso io dia didim-panjakana nanesorana ny tambin-karama raisina rehefa mamita iraka mivoaka ivelan'ny firenena ka nampihena ny totalin'ny tambin-karama azo raisina. Manakorontana ny saim-bahoaka ny vaovao tsy marina nahely koa voatery ny Governemanta handray ny fepetra takian'ny fanelezana vaovao tsy marina toy izao. Tsapa ny fikoropahan’ny governemanta, eo ny ambara fa vaovao tsy marina sy handraisana fepetra fa isan’ny andrasan’ny olom-pirenena ihany koa amin’ny alalan’ny mangarahara ary hoe : inona izany ilay tena marina ? Mandray karama ohatrinona sy tambin-karama ohatrinona ny mpikamban’ny governemanta ? Volam-bahoaka no hanaramana azy ireny ka inona no tsy hamoahana izany amin’ny antsipirihany ho fanta-bahoaka ny karaman’ny governemanta na olom-boafidy sy olom-boatendry samihafa hialana amin’ny kihonohono sy famonoana afo tahaka izao ? Nahoana no fantatra mazava izany any ivelany fa ny antsika afenimpenina ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap