airtel

Actualités

18-nov-2024

Karazan-doto eto Antananarivo

Asa goavana miandry ny mpitantana vaovao

Sample post image

Azo lazaina ho asa goavana miandry ny mpitantana vaovao ny renivohitr’i Gasikara,

18-nov-2024

izany hoe izay ho ben’ny tanàna vaovao eo, ity karazan-doto eto Antananarivo ity. Antananarivo renivohitra izay malaza ratsy manerana izao tontolo izao fa isan’ireo tanàn-dehibe maloto indrindra eto ambonin’ny tany. Fahatelo maloto indrindra maneran-tany ary voalohany amin’izany aty Afrika moa no filaharana nampahafantarina farany. Asa hoe manao ahoana indray ny toerany amin’izao fotoana tsy mety hilatsahan’ny orana izao. Ny fahalotoan’ny rivotra efa manempotra fa ny hafanana midangana efa hila hitovy amin’ny any amin’ny faritra andrefan’ny nosy toy ny ao Maevatanana sy Mahajanga koa tena efa mila tsy ho zaka intsony. Tsy mbola zatra izany maripana 32 degré no miakatra izany hatramin’izay isika, hoy ny fanehoan-kevitry ny mponina iray. Andro amin’ny 5 ora mahery hariva izao dia io misoratra amin’ny solosaina io ny marimpana fa mbola 26 degré, hoy kosa ny fanehoan-kevitra hafa. Ny olan’ny fako mbola tsy voavaha. Ny rano tapaka lava. Ao anatin’ny 3 andro izany izao vao mahafeno sinibe iray raha manangona, hoy ny raim-pianakaviana iray, satria ny anay izao ny alakamisy teo tamin’ny 10 ora alina no niverina dia atsasa-kadiny taorian’izay tapaka dia tamin’ny 3 maraina tany ho any indray vao nisy rano. Tapaka indray avy eo atsasa-kadiny taty aoriana. Sabotsy tamin’ny 2 maraina tany indray vao niverina dia izay vao feno tanteraka io sinibenay io, hoy hatrany ity raim-pianakaviana ity nitantara.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap