airtel

Actualités

30-juin-2025

KILALAO MAHERY SETRA

Tovolahy kely 2 no indray namoy ny ainy

Sample post image

Tovolahy kely iray no namoy ny ainy tao Ankijandava, Fokontany Ambohimandroso, kaominina

30-juin-2025

ambanivohitr'Alatsinainikely, Distrikan'i Miarinarivo ny 25 Jona lasa teo tokony ho tamin'ny 10 ora alina. Mpinamana izy ireo no niaraka ka nifampisangy sy nifanenjika eraky ny arabe. Tampoka teo anefa dia ilay iray efa nitsirara no hitan'ny olona. Nahitana dian'antsy ny kihon-tanany ary rovitra ny takibany, nivoraka ny tsinay. Nifampiantso vonjy ny manodidina nitondra azy tany amin'ny toeram-pitsaboana saingy tsy tana ny ainy.Nandositra kosa ilay namany nahavanon-doza izay vao 17 taona monja. Nanao ny fikarohana azy ny zandary ka ny 26 Jona tokony ho tamin'ny 05 ora sy 40 minitra maraina izy no tratra nandeha dia an-tongotra nizotra ny lalam-pirenena voalohany niazo an'Analavory ka voasambotra. Mbola tratra teny aminy ny antsy nampiasainy. Tao Iaboketraka Atsinanana, kaominina ambanivohitr'Ambararatabe, Distrikan'i Tsiroanomandidy kosa no lasibatra ny tovolahy kely iray hafa. Mbola tovolahy roalahy, mpinamana ihany koa no nifamaly. Nivadika nifampitora-bato izy ireo taorian'izany ka nahavoa ny lohan'ilay iray. Torana vokatry ny dona mafy nahazo azy ity farany ka nitarika ny fahafatesany. Nosamborin'ny miaramilan'ny tafika miasa ao an-toerana ny nahavanon-doza ka nentina niakatra ao Tsiroanomandidy mba hisorohana ny hatezeran'ny fianakavian'ny namoy ny ny ainy.
Pati
Légende : Ireto izy roalahy tompon'antoka ! 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap