airtel

Actualités

27-avril-2023

Actualités

Kofon’ny trosa sy olana ny Jirama Mitady mpamatsy “fuel”, henjanina ny fitakiam-bola

Sample post image

Niditra amin’ny antso tolo-baro-panjakana misokatra iraisam-pirenena ho an’izay afaka mamatsy solika mavesatra na « fuel lourd » ny Jirama. Nivoaka ny 07 aprily teo ny antso ny,

27-avril-2023

ka 1 000 000Ar tsy haverina ny saran’ny fametrahana antontan-taratasin’ireo orinasa maniry ny hahazo io tsenan’asa io. Ny olana ara-tsolika mavesatra moa no miteraka delestazy mampikolay manerana ny tanàna. Tsy vao sambany anefa ny antso tahaka izao, fa efa nanao izany ny Fanjakana tamin’ny jolay 2022, ka tanjona tamin’izany ny mba ahitana tolotra mora kokoa, saingy io miverina io indray. Inona no olan’ny Jirama tamin’ireo mpamatsy mahazatra? Mbola miandry ny fahitana izay hamatsy solika ve vao hilamina ny olana ankehitriny? Hahavaha ny olana ve ny antso tolo-bidy eo anatrehan’ny hoe: tsy manam-bola na tsy ampy vola ny Jirama? Misy orinasa goavana mpamatsy herinaratra ny Jirama voalaza fa efa manapika ny miliny noho ny resaka trosa misavovona. Matoa tonga amin’izany, dia efa tena tsy misy fifampatokisana sy tsy vitan’ny fifampiresahana vetivety. Efa nitsotra an’io tsy fahampiana ara-bola io rahateo ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa tamin’ity herinandro ity, ary naneho fa mandeha ny fifampiresahana amin’ny handoavana ireo trosa misavovona tsikelikely. Inona no antoka fa rehefa mahita mpamatsy vaovao na fanampiny dia tsy hiverina intsony ny olana kanefa ny vola tsy misy na tsy ampy? Any fanamafisana ny fitakiam-bola amin’ny mpanjifa no hany vahaolan’ny Jirama hatreto, ary voalaza fa tsy hitsitsy sy tsy hampitandrina intsony ho an’ireo faktiora tsy voahefa na an’olon-tsotra io na orinasa. Izay fatiantoka ara-pihariana noho ny delestazy any tsy misy iraharahiany an’izany!
TSY MPIFANINANA I TSIMIRORO ?
Voalaza hareto fa tsy isan’ny ho mpifaninana amin’io tsenambaro-panjakana io ny Madagascar Oil. Tena tsy afaka hampiakatra ny famokarana ny filàna ampy ho an’ny Jirama tokoa ve io orinasa io rehefa misy ny antoka fa tena fa tena hanjifa sy hividy izany ity orinasa ity ? Voalaza fa tsy afaka mamokatra afatsy 400barila na 2000m3 isan’andro ka tsy maharakotra ny filàn’ny Jirama. Tena tsara anefa ny kalitaon’ny “fuel lourd” an’I Tsimiroro satria 0,3% ny “souffre” ao aminy. Miteraka fitsitsiana hatrany amin’ny 25% amin’ny vesatra ara-tsoliky ny Jirama anefa raha ny solika mavesatra eto no vidiana. Manana tahirina solika mavesatra hatrany amin’ny 3 miliara barila i Madagasikara raha kely indrindra araka ny fanadihadiana ara-tsiantifika, izay midika fa ny fitrandrahana no mila matanjaka. Rehefa zohiana, misy ny manana tombotsoa amin’ny tsenan’asa ka heverina fa ny mety ho fanohintohinana ny tombotsoa goavan’ireo orinasa sy sehatra matanjaka eo amin’io resaka famatsiana solika no mety sakana goavana. Dia hatao takalon’aina hatrany ary ve izany ny vahoaka sy ny firenena ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap