airtel

Actualités

15-févr-2024

Kolikoly avo lenta sy fanaparam-pahefana

Kaomiseran'ny varotra sy mpanara-maso 4 nidoboka am-ponja

Sample post image

Fonkisonera miisa 4 avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny indostria no

15-févr-2024

no nosamborin’ny BIANCO nohadihadiana momba ny tsy fanarahan-dalàna voalaza fa nataon’izy ireo, ka natolotra ny fampanoavana teo anivon'ny PAC (Pôle Anti-corruption). Ny taona 2023 no nisehoan’ny tantara nandritra ny fidinana ifotony nataon’ireo kaomiseran’ny varotra sy mpanara-maso ara-barotra, izay voalaza fa nanao fidinana ifotony tany amin’ireo orinasa mpanafatra sy mpivarotra fiara. Raha ny fenitra mahazatra eo amin’io departemantam-panjakana io, dia tsy maintsy mitondra taratasy ara-dalàna sy ofisialy manamarina ny iraka na « ordre de mission », saingy voalaza fa tsy voahaja io. Fitsirihana sy fanamarinana na « contrôle et vérification » no voalaza fa iraka nataon’ireo mpanara-maso ireo, saingy voalaza fa nisy resaka fitakiam-bola manokana, ka ny fahazoana vola be, izay miteraka sazy noho ny fahitana heloka no vesatra. Voalaza mantsy fa nandrahona, nanao tsindry mba hahazoana tsolotra natao tamin’ny mpitantana orinasa arahina maso. Nanitsakitsaka ny fitsipika mifehy ny asan’ireo mpiasam-panjakana, ary voalaza fa efa miverimberina sy fanaon’ireo tompon’andraikitra manana fahefana io. Amin’ny resaka famindrana vola na « transaction» no hakana ny vola mba hanafenana azy sy tsy hahatrarana satria araka ny lalàna, dia sazy miandry ny onitra, fanagadrana,... Efa fomba fiasan’ireo mpiasam-panjakana sasany io ary hikendrena vola be any amin’ireo orinasa matanjaka, raha ny fanamarihana. Efa tsikombakomba avo lenta, ka taorian’ny fanolorana azy ireo ny fampanoavana ny 12 febroary, dia nidoboka vonjimaika eny Antanimora ireo kaomiseran’ny varotra 2 sy mpanara-mason’ny varotra 2 ary « informateur » iray, hoy ny tatitra.
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap