airtel

Actualités

30-déc-2014

Actualités

Kolikoly eto Madagasikara Manapotika ny toekarena sy sosialim-bahoaka

Herintaona latsaka kely izao no nijoroanny fitondram-panjakana vaovao eto Madagasikara manaraka ny Lalmpanorenana taorianny tetezamita nanjakanny gaboraraka sy ny tsy

30-déc-2014

fanarahan-dalàna. Tsy mbola tafarina tamin’ny fanonganam-panjakana niseho tamin’ny taona 2009 moa hatramin’izao ny firenena Malagasy. Tranga iray nanamarika ny fe-potoana naharetan’ny tetezamita nitondran’ireo mpaka fahefana an-keriny mitovy amin’ny fe-potoana ara-dalàna iray ny firongatr’ireo kolikoly amin’ny endrika samihafa. Voakasik’izany manokana ireo andrim-panjakana sy olom-panjakana natao hitantana ny firenena ka nampihemotra isan-taona ny laharan’i Madagasikara. Raha toerana faha-127 ohatra isika tamin’ny taona 2013 dia nihemotra any amin’ny laharana faha-133 amin’ireo firenena 174 manerantany i Dago tamin’ity taona 2014 ity. Voka-dratsy goavana ateraky ny firongatry ny fahalovana ohatra ny fihemoran’ireo mpampiasa vola vahiny ka sady mampitombo isa ireo tsy an’asa no tsy mampidi-bola ho an’ny kitapom-bolam-panjakana. Raha tsorina dia manapotika ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka ny tsy fandraisana andraikitry fanjakana amin’ny ankapobeny sy ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly manokana.

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap