airtel

Actualités

14-févr-2025

Kolikoly goavana 672 tapitrisa Ar

Mpiasan’ny Minisiteran’ny vola 6 nidoboka any Antanimora

Sample post image

Avo lenta ny endrika isehoan’ny kolikoly eny anivon’ireo sampan-draharaham-panjakana eto amintsika.

14-févr-2025

Misy ireo sarona, fa mety misy ihany koa ny sarontsaronana. Tratra sy rava noho ny fitoriana miafina narahin’ny fanadihadian’ny Birao Mahaleotena Miady amin’ny Kolikoly (BIANCO) ny tambajotra mpanao kolikoly goavana tamin’ny alalan’ny rafitra antsoina hoe : SODP (Services de l’Ordonnancement des Dépenses de Pensions) teo anivon’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola na ny MEF. Napetraka tamin’ny taona 2020 ity SODP ity, ka nahafahan’ny tompon’andraikitra sasany tao amin’ny ministera nanodinkodina vola manodidina ny 672 tapitrisa ariary tamin’ny alalan’ny famoronana fisotroan-dronono sandoka miisa 9. Voarohirohy amin’ity raharaha ity ny Lehiben’ny Sampan-draharahan’ny SODP sy mpiasan’ny ministera dimy hafa, ary koa olona valo voalaza fa nisitraka fisotroan-dronono hosoka. Paikady nampiasain’izy ireo ny fitadiavana olona azo atokisana hanokatra kaonty banky handraisana ny vola voahodinkodina. Tamin’ny alalan’ny fidirana an-tsokosoko tao amin’ny angon-drakitra « AUGURE PENSION », niaraka tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny teknisianina informatika iray, dia nampidiriny anaty lisitra ireo mpisitraka hosoka ary nohamarininy ny fidiran’ny vola tsy ara-dalàna¨, raha ny tatitry ny Bianco. Nisy fitoriana miafina nahafahana nanatratra sy nandrava ity rafitra nentina nanaronana ny kolikoly avo lenta ity, ka natolotra ny Fampanoavana teo anivon’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) Antananarivo ny 3 Febroary 2025 ireo voarohirohy. Voampanga ho nanao hosoka sy fampiasana hosoka, fanararaotam-pahefana, fandraisana tombontsoa tsy ara-drariny, fanodikodinam-bolam-panjakana ary fananam-be tsy mazava fiaviana. Vokany, naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny Fonjan’Antanimora ireo mpiasan’ny SODP sy olona iray ahiana ho mpiara-miasa taminy. Ny hafa kosa napetraka ambany fanaraha-maso ara-pitsarana (contrôle judiciaire). Ity fanapahan-kevitra ara-pitsarana ity dia dingana lehibe amin’ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Nambara fa tafiditra amin’ny Tetikady Nasionaly Vaovao hiadiana amin’ny kolikoly, no nahitana rafitra kolikoly mivelatra tao amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Hafatra mazava ho an’ny rehetra izany fa tsy hisy fandeferana intsony amin’ny heloka bevava ara-bola. Zava-dehibe ny hahazoana sazy mifanaraka amin’ny heloka natao sy ny famerenana amin’ny fanjakana ny vola voahodinkodina, hoy ny tatitra. Zava-dehibe ny fahatratrarana ny tambajotra tahaka izao, saingy tsy vao sambany ihany koa ny fahenoana trangana kolikoly avo lenta, toy ny resaka nivoaka taona vitsivitsy lasa tao amin’ny Minisitera nisian’ity tranga ity fa olona akaiky tompon’andraikitra ambony efa tsy niasa tao intsony fa voatendry tany amin’ny Sampan-draraharam-panjakana hafa kanefa mbola nisitraka karama sy tombotsoa kanefa nangina moa. Betsaka ireo raharaha goavana nahakasika olona ambony niniana nampanginina na hasarotina ka vitavita ho azy eto amin’ny Firenena,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-mars-2025

Ny nosy Maorisy dia nitaky ny hamerenana amin’izy ireo ny nosy Chagos

Card image cap
17-mars-2025

Tafintohina amin’ny fanambarana nataon’ny Governemanta frantsay, tamin’ny alalan’ny Minisitra lefitra

Card image cap
17-mars-2025

Ny APIPA na Sampan-draharaha fiarovana amin’ny fiakaran’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo

Card image cap
17-mars-2025

Anisan’ny fitaovana tena ilaina amin’ny resaka famonjena voina ny « drone ».

Card image cap
17-mars-2025

Nisy ny sabotsy teo, tetsy Ankorondrano, ny fanolorana fitaovam-piasàna ho an’ireo

Card image cap
14-mars-2025

Misy ifandraisany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny

Card image cap