airtel

Actualités

16-janv-2025

Kolonely Charles Andrianasoavina

« Hamono ireo, miantso ny tafika tsy hanaiky atao fitaovana »

Sample post image

Nipoitra indray ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay isan’ny nanamarika ny tantara tamin’ny 2009

16-janv-2025

niakaran’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana. Namoaka horonan-tsary miendrika ampamoaka sy valin-kafatra mampitandrina ny Fitondrana, indrindra teo anatrehan’ny nilazan’ny Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard fa tsy misy maharesy tafika izany. Zana-bahoaka izahay, ka mahagaga ny nilazana fa tsy haharesy ny tafika ka izahay ve dia hanaiky hamono ny Raiamandreninay, hoy ity manamboninahitra ity. Izany, hoy izy, no nataonay tamin’ny 2009. Nilaza i Kolonely Charles, fa nisy fivoriana tany amin’ny Prezidansa ny 11 janoary, ka nolazainy fa tao anatin’izany i Andry Rajoelina, Praiminisitra, Jeneraly misotro ronono Richard Ravalomanana, Minisitry ny fiarovana, officiers maromaro. Nivory mikasika ny famindrana any amin’ny zandarimaria daholo ny fitaovam-piadiana mavesatra na « armées lourdes » an’ny tafika, raha ny filazany. Inona no antony hamindrana ? Misy fanahiana ho an’ny zana-bahoaka ? Niresaka an’io ihany koa ny vaovao an-tranonkala Africa Intellingence, saingy nodisoin’ny Minisitry ny fiarovana. Nolazainy fa misy ny fikasana hamono olona, ka niantsoany ny tafika mba tsy hanaiky hatao fitaovana satria zana-bahoaka. Nanaiky ny Minisitry ny fiarovana raha ny fahenoako azy ka matahotra sa misolelaka ? Efa henonareo izay ry zalahy a ! Hamono ry zareo ireo, raiso sahady ny fepetra, tsy azo ekena ny tahaka izany, hasiana ady an-trano ? hoy ny Kolonely Charles tao anaty horonan-tsary. « Tompon’andraikitra ny Minisitry ny fiarovana ary ny tafika dia ho an’ny tanindrazana ka tsy ny fitiavan-tseza sy fahefana no hamonoana ny mpiray tanindrazana. Ho an’ny tanindrazana fa tsy ho an’ny olom-bitsy izay mitondra. Jereo ny tsy fisian-drano, ny hanoanana, ny trafikana harem-pirenena,… Ny fanagadrana olona tsy amin-drariny : Mbola Rajaonah, Lola Rasoamaharo, Beharinirina Marcelin, Paul Rafanoharana izay hanaovan’ny ONU fanairana,… », hoy hatrany ity farany.

« AZA SAKANANA TSY HO ENY AMIN’NY 13 MEY NY OLONA… »
Niantefa manokana tamin’i Andry Rajoelina, ka nahitsy izy nilaza hoe : Izaho izao no nametraka anao teo tamin’ny 2009, fa rehefa tsy zakanao io fitondrana io mialà. Izao anefa no itondranao ny firenena kanefa ianao manao anao ho mivavaka sy nandohalika tamin’ny 8 martsa 2009. Izaho no nanavotra anao fa raha tsy izany ianao tany am-bavam-boay, izaho nanavotra anao fa tsy izany Jeneraly Baomba izany, fa tsy nangataka na Ariary taminao, hoy izy. Ianao nakany amin’ny 13 mai ka nahoana no sakananao ny olona ? Tsy Richard Baomba no nanavotra anao sy nahatonga anao amin’io toerana io fa izaho, hoy hatrany ity miaramila nitarika ny hetsika tao amin’ny CAPSAT tamin’ny 2009 ity. Nanafatrafatra moa ity farany ny mba mampiasa hery amin’ny sivily tsotra. Tsara ny mampahatsiahy, fa herintaona taorian’ny 2009 no nisaraka ny làlana teo amin’i Andry Rajoelina sy Kolonely Charles rehefa nolazaina fa nanongam-panjakana ity farany, nalefa tany am-ponja, voalaza fa tratry ny fanapoizinana, nitsabo tena tany La Réunion. Tamin’ny fifidianana 2018 vao tazana indray, ary nanohana ny Kandida Marc Ravalomanana. Nisintaka niala teto rehefa tafaverina teo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina. Namoaka fandisoana moa ny Minisitry ny fiarovana ary nilaza fa manao ny dingana ara-diplaomatika hahafahana manenjika an’ity miaramila izay nambarany fa nitsoaka an-daharana nanomboka ny 2021 ity. Hanao ahoana ny tohiny ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?

Card image cap
07-févr-2025

Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola

Card image cap
07-févr-2025

Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga

Card image cap
07-févr-2025

Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena

Card image cap
06-févr-2025

Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa

Card image cap
06-févr-2025

Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,

Card image cap