Nahitsy ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael omaly 09 febroary 2026 raha nanokatra ny Fikaonandoha ho an’ny fanavaozana ny zandarimariam-pirenena teny amin’ny CCI Ivato nilaza fa tsy ny zandarimaria no ratsy, fa nisy olona nanaratsy endrika azy ireo. Nohamafisiny ihany koa fa efa nandraisana andraikitra ireo andiana zandary nahatonga ny fanafitohinana tamin’ireny raharaha ireny. Ny zandarimaria, hoy izy, anisan’ny rafitra manakaiky sy mifanerasera mivantana amin’ny Malagasy. Navoitrany fa fotoana izao hamolavolana ny fanarenana sy fanitsiana izay mety ho lesoka sy ny hametrahana paikady vaovao, sy mahomby hamerenana ny fifampitokisana eo amin’ny Zandarimaria sy ny vahoaka. Fotoana ihany koa io namaliany ireo resabe sy toe-draharaha mafampana, ka isan’ny notsiahiviny ny tokony hanajan’ny mpitandro filaminana ny lalàna sy fitsipi-pifehezana. « Miaramila isika matoa nisafidy an’iny akajo maramara iny, fa izaho manokana nisafidy ny handeha amin’ny lalan’ny sivily matoa tsy nandray ny grady jeneraly tamin’ny farany teo, tsy miaramila intsony aho », hoy izy. Nohazavainy moa io avy eo hoe nisafidy ny làlana sivily satria hiteny imasom-bahoakam-bahoaka, fa mijanona ho miaramila manamboninahitra mandrakizay. Niantso ny hanajana ny rafitra miaramila ! Matoa manao an’iny akanjo iny dia tsy sitrapoko, fa ny vahoaka no mangataka hoe manaova an’iny ianao fa iny no nahalalan’ny vahoaka anao, fa izaho efa nanaraka ny lalan’ny sivily dia any amin’ny sivily no manao. « Raha safidy ny ato amin’ny miaramila dia aoka hanaraka ny lalàna miaramila, tsy hiteny any amin’ny gazety raha tsy mahazo alalana, tsy mahazo manao zavatra tsy mifanaraka amin’ny lalàna raha tsy nahazo alalana », hoy ny Kolonely Randrianirina Michael.
TSY MISY ZAVATRA MISEHO KISENDRASENDRA
Nanamafy ny Filoham-panjakana fa isika Malagasy tsy dia tsara loatra lalaovina facebook. Mikasika ny raharaha kolonely Patrick Rakotomamonjy, nilaza mazava ny Filoha fa tsy nisy didy fampisamborana nivoaka teto na taiza na taiza, ka izay, hoy izy, no mahagaga anay hoe iza no nivoahan’ny didy fampisamborana ? Notsindrian’ny Filoham-panjakana manokana sy nisintonany ny sain’ny Malagasy kosa ny hoe : « en politique, il n’y a pas de hasard, tout est calculé » (amin’ny politika dia tsy misy ny kisendrasendra fa efa voakajy ny zava-drehetra), io fifanesena zavatra na « événement » io dia somary hisintonako ny saintsika ihany fa misy dikany, hoy ny Filoham-panjakana. Isan’ny nisesy moa iny fisehoan’i Andry Rajoelina tany Eswatini iny, narahin’ny fanambaran’ny Kolonely Patrick,… Asa tafiditra anatin'izany koa ve ny fahamaizana tao amin'ny Minisiteran'ny atitany? Azo antoka fa tsy misy zavatra mandehandeha ho azy, ary manana ny loharanom-baovao stratejika ny Fanjakana manoloana ireo toe-javatra hafahafa. Herinandro lasa no efa nanamafisan’ny Filoha tany Betafo fa tena misy voakarama hanakorontana. Manoloana ny filazana fa misy mpanao kolikoly sy mafia miara-miasa amin’ny Filoha, « raha izaho izany olona izany, dia hoentiny aty amiko aty fa anisan’ny ady ataoko ny ady amin’ny kolikoly, ary miezaka miady mafy amin’ny zavatra tsy rariny teo aloha, fa ny mahagaga fa tsy misy miteny rehefa mivoaka any amin’ny Filankevitry ny Minisitra fa misy ezaka goavana ho an’ny vahoaka Malagasy », hoy ny Filoham-panjakana.
MANDEHA NY TOMBANA, NY FAMONJENA VAHOAKA NO MAIKA…
Nanamafy i Kolonely Michael fa tsy miova ny filazan’ny Fanjakana fa fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena Malagasy no nataon’i Andry Rajoelina, ary fanitsakitsahana sy fanosihosena ny ra latsaka tamin’ny tolona nataon’ny tanora sy ny vahoaka Malagasy tamin’ny volana septambra. Eo anatrehan’ny filazana fa misy ny « forongony » ao anatin’ny fitondrana, dia nambarany fa anatin’ny asa mikasika izay izy ireo ary ho hitan’ny rehetra tsy ho ela. Tahaka izany ihany koa ny resaka fanovana praiminisitra sy governemanta izay nambarany fa ao anatin’ny tombana. Nahitsy ny Filoha nilaza fa tsy mieritreritreritra izay fanambarana any amin’ny Facebook, ny fisehoana politika,… fa ny tena mainka ho azy ireo ny fitodihana any amin’ny vahoaka Malagasy amin’ny rivodoza.
Toky R
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona