airtel

Actualités

20-nov-2025

Kolonely Michaël sy Kolonely Rampanarivo

Hafa ny tantara niseho ny 2023 sy 2025

Sample post image

Raha tsiahivina ny nambaran'ny

20-nov-2025

tonia mpampanoa lalàna, Narindra Rakotonirina, dia ireto avy no vesatra nanenjehana ny filohan’ny fanavaozana ny repoblika malagasy ankehitriny, ny Kolonely Michaël Randrianirina, sy ny Kolonely Rampanarivo ka nampidirana azy ireo teny Tsiafahy ny taona 2023. Teo ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka, ny fitarihana miaramila hikomy ary fanakorontanana mialohan’ny fifidianana. Nandà izany fiampangana izany izy ireo rehefa niseho teo anatrehan'ny mpitsara mpampanoa lalàna, raha ny tsiahim-baovao hatrany. Ny taona 2023 izany tantara izany no niseho fa ankehitriny, 2025 kosa dia tantara hafa tsy misy resaka valifaty sy fanonganam-panjakana no natao, hoy ny fanazavàn’ny filohan’ny fanavaozana. Fanovàna sy fanadiovana natosiky ny fitiavan-tanindrazana no manjary imatimatesana amin’izao fotoana izao, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra nivoitra tato ho ato hatramin’ny fotoana nanokafana ny fikaonandoha Kristianina teny amin’ny ISTS Mandrimena, Iavoloha – Andoharanofotsy omaly.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap