airtel

Actualités

11-févr-2025

KOLONELY RATSIMANDRAVA

Olona nanana tetikasa tsara, tokony

Sample post image

nitondra fampandrosoana hoy ny olom-pirenena

11-févr-2025

Tsarovana anio Talata 11 Febroary ny daty nitifiran’ireo tsy mataho-tody ny Kolonely Ratsimandrava tetsy Ambohijatovo ambony.49 taona katroka androany no nisian’iny tranga iny izay tsy mbola maty ao am-pon’ireo Malagasy nahalala sy niaina izany tantara mampalahelo izany. Samy manana ny nahatsiarovany ny kolonely Ratsimandrava ny olom-pirenena tsirairay. Nanaiky niresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana izy mianadahy ireto.

Dadabe Rajoso : Ny tena hahatsiarovako an-dRatsimandrava zao ilay izy saika hamerina ny maha-Malagasy manontolo mihitsy. Izy irery no nanana izay fikasana izay mba hampandrosoana ny firenena saingy indrisy… Tsaroako ho tsy dia nahafaly ny vahiny loatra izay fandaharan’asany izay. Tamin’ny andro koa mbola tena mora ny fiainana.

Bebe Odette : Ny ahy indray ny hahatsiarovako azy ilay finiavany tena hampandroso an’i Madagasikara mihitsy. Olona tsara Ratsimandrava no sady nanana fandaharan’asa tena tsara na dia mbola tanora vao herotrerony tokoa aza tamin’izany fotoana. Indrisy anefa fa andro vitsy ny nitondrana izy dia maty notifirin’ny sasany. Tena very olo-manga i Madagasikara.

Pati

 


 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap