airtel

Actualités

10-oct-2025

Kolontsain’ny fandrobàna hatramin’ny 2009

Nisy nanana orinasa miisa 3 indray

Sample post image

potika ny alin’ny 25 septambra teo

10-oct-2025

Nibabababa ny mpitantana vondron’orinasa iray naneho ny heviny nanoloana ny filoham-pirenena nandritry ny dinika natao teny Iavoloha farany teo fa orinasa miisa 3 ny azy ireo dia ny ETSI SARL, PIM Madagascar, Metaplasco no indray potika vokatry ny fandrobàna sy fandoroana tanàna nitranga ny alin’ny 25 septambra 2025 lasa teo. Nanomboka ny taona 2014 aho no teo anivon’ny orinasa, hoy ny fanazavàn’ity mpitantana ity, ary isan’ny nahatafakatra ny isan’ny orinasa ho 3. Tao anatin’ny alina iray dia foana daholo nefa izany rehetra izany, hoy izy. Voaroba tao anatin’ilay alin’ny 25 septambra ny orinasa, ny ozinina, lasa daholo ny rehetra, ny entana na inona na inona. Ankehitriny, raha mbola tsy mahita vahaolana dia tsy maintsy ho voaroaka ny 70%n’ny mpiasa eo anivon’ireo orinasa ireo amin’ny volana ambony, hoy hatrany ity mpitantana ity. Vokatry ny kolontsain’ny fandrobàna hatramin’ny 2009 tao anatin’ny fanonganam-panjakàna notarihin’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Nirina Rajoelina, sy ny forongony ihany, hoy ireo fanehoan-kevitra, araka izany, dia nolovaina hatramin’izao ny fifamonoan’ny samy malagasy toy izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry

Card image cap
05-déc-2025

Andrasana ny tohin’ireo afera goavana maro…

Card image cap
05-déc-2025

firehana politika ny adidy ho an’ny firenena»

Card image cap
05-déc-2025

Green Army amin’ny fanamaitsoana an’i Gasikara

Card image cap
05-déc-2025

Olona efa-mianaka no indray maty

Card image cap
05-déc-2025

Na ny trano hiandrasana ny razana aza tsy misy

Card image cap