airtel

Actualités

31-janv-2025

Kristianina mandinika raharaham-pirenena

«Tsy olona fa toetsaina sy lalàmpanorenana no mila ovaina eto!»

Sample post image

Tsy olona fa toetsaina sy lalàmpanorenana no mila ovaina eto, hoy ny Kristianina mandinika

31-janv-2025

raharaham-pirenena, Ralaiarimanana! Vinavina mandeha moa izao, hoy izy, ny fanovàna governemanta. Na im-polo hanova izany aza nefa isika dia tsy handroso mihitsy rehefa tsy miova ny toetsaina. Olona tena vonon-kiasa, hampanjaka ny fahamarinana ary hanaraka marina ny zava-misy sy hamaha ny tena filàn’ny vahoaka no takian’izany. Izany no tokony hameno ny governemanta eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Niezaka nanome 100 andro hatramin’izay ny filoham-pirenena. Tsy hita anefa hoe nanao ahoana ny fitsaràna ireny olona ireny? Tsy nitondra fahombiazana akory anefa ilay fanovàna olona matetika. Manapatra fahefàna amin’ny madinika no tsikaritra matetika ataon’ireo mahazo fahefàna eto amin’ny firenena na amin’ny manodidina azy ary lasa tsinontsinona ny manodidina. Tsy mitondra vokatsoa nefa izany rehetra izany. Miandry ny fandinihan-tenan’ireo mpitondra sy ny fanetren-tenany fa raha izay marina no misy dia handroso tokoa ity Madagasikara ity. Iarahantsika mahalala fa dika mitovy amin’ny lalàmpanorenana vahiny ny lalàmpanorenantsika. Mbola avy amin’ny frantsay io. Tokony hanana ny lalàmpanorenana tena maha isika antsika isika. Tokony hisy ny fikaonandoha sy adihevitra iraisan’ny herivelona rehetra hamolavolàna hoe ahoana no tena tokony hitantanantsika an’ity Madagasikara ity, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap