Sesilany ny serasera milaza fahasimbana etsy sy eroa. Tao anatin’ny tapa-bolana, nisy olana ny “roulement” teny Mandroseza ho an’ny milina fanadioavan-drano, vaky ihany koa ny fantsona lehibe teny Ambohimiandra,… Ireo ny serasera nambara fa anton’ny olana nandritra ireny hetsika samihafa niseho teny Amboditsiry, Ankatso,… ireny. Vao andro vitsy ihany koa no nisy ilay fahatapahan’ny tariby mitondra herinaratra mahery vaika tetsy Ambatomaro ka nahatapaka ny jireo tamin’ny faritra an-jatony naharitra hatramin’ny adin’ny 5 ny sasany. Io ihany koa omaly hariva, dia nipoitra indray ny serasera nilaza fahatapahan-jiro adin’ny roa teo anelanelan’ny tamin’ny 6ora hariva hatramin’ny 8ora alina tamin’ny tanàna maro tato anatin’ny Faritanin’Antananarivo satria voakasika hatramin’ireo distrika samihafa, toa an’Ambohidratrimo, Avaradrano, Atsimondrano, hatrany Manjakandriana sy ny maro hafa. Nambara ho anton’io ny fahasimban’ny milina G2 ao Andekaleka. Ny tany an-toerana izay tsiahivina fa nisy ny fahasimban’ireo milina 3 ny fiandohan’ny taona 2022, ary tao anatin’izany ihany koa no nanaovana serasera fa tonga milina faha-4 ka vao tafapetraka io dia ho foana afaka 6 hatramin’ny 8 volana ny delestazy. Mandrak’ity ny androany, io iaraha-miaina io ny olana izay vao mainka mihamafy. Ny famokarana tsy ampy kanefa ny Fanjakana mihazakazaka amin’ny “branchement mora” nametrahan’ny Fanjakana fanamby hametraka kaontera mahatratra 15000 isa. Hatreto tokoa, mbola ny 15 hatramin’ny 20% amin’ny Malagasy no misitraka herinaratra, ary nosokajian’ny Banky Iraisam-pirenena ho firenena faha-13 maneran-tany manana tahana vahoaka betsaka indrindra tsy misitraka herinaratra. Mifanaraka amin’ny fihazakazahana hanao izany ve anefa ny famokarana izay poakaty ny 400MW tao anatin’ny 5 taona? Tena olana teknika fotsiny ve ny olan’ny angovo sy herinaratra miha mitombo ankehitriny? Kisendrasendra ny fitanisana fahasimbana lava sa efa fanakotankonana ny krizy ara-bola ka tsy atokisan’ny mpamatsy solika sy ny orinasa tsy miankina mamatsy herindratra? Tsy misy hidiran’ny any Andekaleka ny herinaratra aty aminay fa tapaka lava, hoy ny any SAVA. Ny olan’ny jirama amin’ny delestazy sy rano tapaka dia tsy olan’io orinasa io intsony fa olan’ny Fanjakana na “probleme de l’Etat”, hoy ny mpampianatra mpikaroka iray. Efa natomboka tamin’ny fampihenana 20% ny fandanian-tsolika ho an’ireo toby mpihary herinaratra manerana ny Nosy io, ary ireny nosarontsaronana serasera mipoapoaka fa hiantso olona nitantana ny Rwanda Energy Group ireny dia nangingina teo ka andrasana indray izay vokany amin’io volana mey io.
Toky R
Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?
Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola
Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga
Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena
Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa
Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,