La Grande braderie de Madagascar. Etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina no hanatanterahana izany ny 01 ka hatramin’ny 04 Jona ho avy izao, ahitana ireo karazana kojakoja rehetra ilaina hiatrehana ny fety sy azo hatao fanomezana. Nambaran-dRamanantsoa Harilala, tompon’andraikitra voalohany mikarakara izany fa hisy ny fihenambidy 15% amin’ireo karazan’entana hamidin’ireo tranoeva miisa 100 izay ho avy handray anjara. Anisan’ireny ny fitafiana, ny finday, ny kojakojana ilaina momba ny fiara, ny kojakojan-dakozia….Iaraha-mahalala hoy izy ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny faharefoan’ny fahefa-mividin’ny Malagasy ka ho hentitra mihitsy ny fanaraha-maso io fihenam-bidy io. Nomarihiny manokana moa fa hisy ny toerana hahafahana mampilalao ny ankizy sy hisakafoanana ho an’ireo izay mila izany.
Pati
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.