ka anisany ny fanafoanana taranja maro, izay 11 izany ireo nesorina raha ny isa ofisialy. 17 ireo taranja voatazona ilalaovana. Anisan’ireo foana ny taingin-tsoavaly na “Equitation”, kanefa nilaza ho efa niomana fatratra ny mpifaninana avy atsy amin’ny Nosy La Réunion. Nanao fanambarana ny komitim-paritra misahana io taranja io ao an-toerana fa tampoka ary tsy nampoizin’ireo ny fanaisorana izany, kanefa efa nisy tao anatin’ny taona maro, ary efa tao anatin’ireo nifaninanana nandritra ny lalaon’ny Nosy natao teto Madagasikara ny taona 2007, tao anatin’ny fanatanjantena ara-pampisehoana. Tafiditra ho isan’ny fifaninana, ary nirehareha izahay tamin’ny fankatoavana sy ny fahafaha-nampiditra azy tao anatin’ny fanatanjahantenantsika, hoy izy ireo. Aty amin’ny 3 volana tsy hanombohan’ny fifaninana anefa, taorian’ny fisafidianana sy ny fanomananay ny atleta (fampivondronana in-droa, ary nisy olona nafarana avy any ivelany), ny fandrafetana ireo staff,… dia nalahelo izahay noho ny zavatra renay momba io taranja io, hoy hatrany ny avy atsy La Réunion. Tsy resahina intsony ny fivoriana fanomanana maro, niarahana tamin’ny rafitra samihafa, niarahana tamin’ireo mpikarakaraka mahefa avy amin’ny firenena maro nandrafetana ny fitsipi-dalao, fanofanana ofisialy,… tena nandany hery sy fotoana sy vola kanefa dia nofoanana tsy misy fampahantarana. Betsaka ny zavatra tsy tomombana amin’ny fikarakarana io lalao io, ka enga anie mba ho ireny ny vaovao ratsy farany mba hivoahan’ny fanatanjahantena ho mpandresy, hoy ny namaranana azy izay mifono fampisaintsainana sy kiana. Asa mba efa norefesin’ny mpitondra Malagasy ve hoe: mety hatraiza ny akon’ny fanapahan-kevitra sadasada vokatry ny fanomanana petatoko sy ny tsy fahaiza-manao? Ny Malagasy no mety efa zatra sy tsy gaga intsony fa ny vahiny mety mamerina an’ilay hoe: “sans qualité”! Mbola vitan’ny fanaboriboriana resaka hoe: tsy ny habetsaky ny taranja hifaninanana no zava-dehibe fa vokatra tsara azo?
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny