airtel

Actualités

04-mars-2021

Actualités

Lahady Samuel Nodimandry teo amin’ny faha-90 taonany

Sample post image

Nodimandry ny alin’ny talata 02 martsa teo amin’ny faha-90 taonany i Lahady Samuel,

04-mars-2021

 

Governoran’ny faritany mizakatenan’i Toamasina tamin’ny Repoblika faharoa. Efa loholona, Tale tao amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny, Lehiben’ny distrikan’Antsiranana, Ambasadaoro tany Alzeria sy Alemaina,… Gadra politika izy taorian’ny raharaha 2002, ary nisafidy ny hitsahatra tamin’ny raharaha politika nanomboka ny 2006. Narary ny talata maraina teo I Lahady Samuel, nentina tany amin’ny Manara-penitra tao Toamasina tao amin’ny Sampana Famelomana aina fameloman’aina. Efa nihatsara, nahazo efitrano, niova ny toe-pahasalamany ny takariva, raha ny fitantaran’ny fianakaviany. Rehefa natao ny “radio”, dia hita fa nisy olana tamin’ny fony, ka izay no nitarika tamin’ny fahafatesany. Mirary fiononana feno ho an’ny Fianakaviany manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap