airtel

Actualités

25-avril-2022

Actualités

Lakan-drano eto Antananarivo Nilona an-taona maro ireo fako sy fotaka

Sample post image

An-taonany maro, raha ny fanazavan’ny mpahay manokana momba ny drafitry ny tanàna ao anatin’ilay tetikasa antsoina hoe PRODUIR,

25-avril-2022

Miangaly Rabodomalala, no nilona tanatin’ireo tatatra na lakan-drano eto Antananarivo ireo fako sy fotaka ka antony mahatonga ireny tanana dibo-drano isaky ny avy orana ireny. Tsy maintsy misy, noho izany, ny filana fisokirana izay lakan-drano izay ahafahana manatontosa ireo asa hafa ho fampivoarana ny tanan-dehibe hahatonga azy hitoerana fiarahamonina mifanaraka amin’ny vanin’andro ankehitriny, raha ny fanazavana. Ny PRODUIR moa na koa hoe “Projet de Développement Urbain Intégré et de Résilience”, araka izay anarany izay dia miompana indrindra amin’io fampandrosoana ny tanan-dehibe sy fampidirana ny mponina ao aminy mba hiaina izay maha mendrika ho mponin’ny tanan-dehibe azy izay. Tafiditra ao anatin’izay ihany koa, raha tsiahivina, ny faraparan’ny volana aogositra 2021 teo, no voalaza fa tokony efa atomboka ny fananganana fonenana mendrika miisa 87 eny Andavamamba ary manoloana ny asa fanatsarana ny lakan-drano C3 dia tokantrano miisa 84 teo no novinaniana ho voatery tsy maintsy handao ny fonenany, raha ny tsiahim-baovao hatrany.
J. Mirija

Legende: Miangaly Rabodomalala
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap