airtel

Actualités

13-janv-2025

LAKAN-DRANO TSENTSINA ENY ANDRAVOAHANGY

Vokatry ny fanorenana foto-drafitrasa tsy ara-dalana

Sample post image

Vokatry ny fanorenana foto-drafitrasa tsy ara-dalana eny ambony lakan-drano no nambaran’ny

13-janv-2025

tompon’andraikitra eo anivon’ny SMA na ny Societe Municipal d’Assainissement ho antony miteraka ny tondra-drano eny Andravoahangy, Boriborintany fahatelo raha vantany vao avy ny orana. Tsy ampy ora iray mantsy ny fotoana hirotsahan’ny ranon’orana raha araka ny fitarainan’ny mponina eny an-toerana dia efa hatrany amin’ny valahan’ny fiara ny rano eny amin’ny arabe. Tototra daholo ihany koa ireo trano any afovoan-tanana rehetra, indrindra fa ny trano hazo hany ka misy hatrany ireo fianakaviana traboina. Mba ho fitsinjovana ireto farany dia fantatra fa nirotsaka an-tsehatra nanadio ny lakan-drano teny Andravoahangy ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy ny SMA ary ireo fikambanana maro samihafa afak’omaly Sabotsy 11 Janoary. Narahin’ny fanentanana ny mponina mba tsy hanary fako anaty lakan-drano izany, indrindra fa ny tavoahangy sy ny harona sachet plastika. Mian-dahy miam-bavy ireo tonga nanatanteraka ny asa teny an-toerana izay samy niaiky fa be loatra ireo foto-drafitrasa miorina ambony lakan-drano ao amin’ity tanana iray ity ka tsy tokony hoampiana intsony.
Pati
Legende : Tondra-drano avy hatrany ny ety Andravoahangy na dia orana madinika aza !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap