Besarety sy ny manodidina iny amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Rehefa nojeren’ny Boriborintany fahatelo tarihin’ny delege Razafimandimby Rija Ethel ny olana dia fantatra fa noho ny fahatsentseman’ireo lakan-drano ao an-toerana no mahatonga izany. Anisan’ireny ny Lakan-drano "Vallée de l'Est" eo Besarety sy misy ny fiangonana FPVM. Niara-nirotsaka an-tsehatra nanadio io tata-drano io izy ireo ny SMA omaly. Nambaran’ity lehiben’ny Boriborintany fahatelo ity nandritra izany fa toe-tsaina io. Ilana fanovana izany hoy izy amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fako harina any anaty tatadrano. Tavoahangy plastika, miampy voridamba tsy ilaina intsony, maloto….no nodiovina tao anatin’ireo lakan-drano ireo izay marihina fa tena nandanian’ny roa tonta fotoana maromaro mihitsy vao vita. Miantso ny mponina rehetra mba ho tonga saina araka izany ny tenany fa tsy sanatria handrora mitsilany hatrany ka rehefa tonga any an-tokantrano ny rano maloto vao hikoropaka sy hanome tsiny ny hafa hatrany.
Pati
Legende : Nafotaka tahaka izao ny asa fanadiovana natao teny an-toerana !
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,