airtel

Actualités

31-janv-2024

Lakan-drano Vallée de l’Est Besarety

Tsentsin’ny tavoahangy sy maloto avy any an-tokatrano

Sample post image

Mirotsaka 30 minitra monja ny ranon’orana dia efa dibo-drano iny

31-janv-2024

faritra Besarety sy ny manodidina iny amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Rehefa nojeren’ny Boriborintany fahatelo tarihin’ny delege Razafimandimby Rija Ethel ny olana dia fantatra fa noho ny fahatsentseman’ireo lakan-drano ao an-toerana no mahatonga izany. Anisan’ireny ny Lakan-drano "Vallée de l'Est" eo Besarety sy misy ny fiangonana FPVM. Niara-nirotsaka an-tsehatra nanadio io tata-drano io izy ireo ny SMA omaly. Nambaran’ity lehiben’ny Boriborintany fahatelo ity nandritra izany fa toe-tsaina io. Ilana fanovana izany hoy izy amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fako harina any anaty tatadrano. Tavoahangy plastika, miampy voridamba tsy ilaina intsony, maloto….no nodiovina tao anatin’ireo lakan-drano ireo izay marihina fa tena nandanian’ny roa tonta fotoana maromaro mihitsy vao vita. Miantso ny mponina rehetra mba ho tonga saina araka izany ny tenany fa tsy sanatria handrora mitsilany hatrany ka rehefa tonga any an-tokantrano ny rano maloto vao hikoropaka sy hanome tsiny ny hafa hatrany.
Pati
Legende : Nafotaka tahaka izao ny asa fanadiovana natao teny an-toerana !
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Nitombo 12% tamin’ny volana aprily teo raha oharina ny tamin'ny volana aprily 2023 ny mpizahatany

Card image cap
17-mai-2024

Taorian’ny Minisitry ny filaminana anatiny herinandro latsaka izay nidina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
17-mai-2024

Vehivavy iray tombanana ho 30 taona eo ho eo no hita faty tao Fitroafana Talatamaty,

Card image cap
17-mai-2024

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 16 mey tetikasa telo vaovao eo amin'ny sehatry ny tontolo iainana,

Card image cap
16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap