airtel

Actualités

24-mai-2024

Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana

Nentin’ny governemanta tamin’ny kopisoroka…

Sample post image

Nolanian’ny filankevitry ny minisitra ny volavolan-dalàna momba ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2024

24-mai-2024

nasiam-panintsiana ary manana herinandro ny Minisitera tsirairay avy hampiditra ny tapaka anio ao anatin’ny rindram-baiko. Aorian’io fe-potoana io dia hivoaka ny tome 1, 2 ary 3 amin’izany lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panintsiana izany », hoy tatitra teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia 22 mey lasa teo. Sady nandidy no nanapaka izany ny governemanta tao anatin’ity raharaha ity satria anjaran’ireo fahefana mpanao lalàna dia ny antenimierampirenena sy ny antenimierandoholona no mandinika sy manitsy, ary mandany ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panintsiana na ny LFR. Raha toa ka tsy nolanian’ny Antenimierampirenena tao anatin’ny fotoana tokony ho nanaovana izany no afaka mampihatra izany amin’ny alalan’ny didy hitsivolana na «ordonnance » ny Filoham-pirenena araka ny andininy faha-92 amin’ny lalàmpanorenana fa ity hafa mihitsy hoe : fanovana tao anatiny tao tsy nandalo fandinihana sy fandaniana. Andalam-pifanaranana ny taom-piasan’ireo depiote am-perin’asa ary ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra ka noheverina ho toy ny tsy misy intsony ? Toa zary efa fomba fiasan’ny Fanjakana Rajoelina anefa io manao izay maha diavolana ny sainy io satria efa nisy ihany koa tamin’ny taon-dasa ny tsy fanaovana fanintsiana ny tetibolam-panjakana fa hoe : mety io. Izao indray tonga dia laniana tsy mandalo antenimiera. Ireny efa niaraha-nahita ireny ny fandefasan’ny Minisiteran’ny vola tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraliny ny hampihenana ny vola any amin’ny minisitera tsirairay, izay misy resaka mivoaka fa nanentsenana 1036 miliara Ar nakany amin’ny Jirama. Tsy fantatra intsony mazava ho azy izany tena fandehan’ny fitantanana ny volam-bahoaka fa dia izay maha metimety ny mpitondra ao. Asa mbola manaraka ny antsoina hoe : « orthodoxie financière » na fanarahana ny lamina mazava sy fanajana fenitra voafaritra momba ny fitantanana ara-bola izay isan’ny mason-tsivana takian’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika ve ny fitondram-panjakana sa dia mandeha arakaraka ny zava-miseho sy mitranga eo tahaka ny fitantanana épicerie ? Toa miteraka ahiahy hatrany mantsy ny zava-miseho hoe : ny « prise en charge » ara-pitsaboana ho an’ny mpiasam-panjakana misy miato, ny mpandraharaha nanao asa tamin’ny tsenambaro-panjakana betsaka no nitaraina fa tsy azo ny volany, ny làlana tokony hokojakojaina tsy vita fa tsy hay hoe : nankaiza ny volan’ny fonds routier,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap