airtel

Actualités

11-mai-2023

Actualités

Lalàna momba ny harena an-kibon'ny tany Rahampitso zoma no hanapahan’ny Antenimiera azy

Sample post image

Tao anatin’ny telo andro, ary mbola nitohy omaly ny fandinihan’ny manampahaizana manokana amin'ny resaka harena an-kibon'ny tany, ny minisitra mpiahy ny harena an-kibon'ny tany,

11-mai-2023

ny vaomiera misahana ny harena an-kibon'ny tany otronina solombavambahoaka maro ny lalàna vaovao momba ny harena an-kibon’ny tany. Tao anatin’ny valan-dresaka nataon’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany Atoa Rakotomalala Herindrainy Olivier no nilazany fa nahafinaritra ny ady hevitra ary tsy nisy faneriterena. Teboka maro, hoy izy, no tsy maintsy hasiam-panitsiana amin'ity lalàna ity noho izy efa tsy mifanaraka amin'ny toetrandro intsony satria tamin'ny taona 2005 ny lalàna farany ampiasaina amin'izao. Nohamafisiny tamin’izany ilay fampiakarana ny tahan'ny tamberim-bidy, raha 2% izany teo aloha heverina ny hampiakatra azy 5%. Jerena manokana ao anatin'ity lalàna ity koa ny tamberin'andraikitra hataon'ny orinasa mpitrandraka, ny fitsinjovana ny tontolo Iainana, ny resaka fandraisan’anjaran'ny mpitrandraka harena an-kibon'ny tany amin'ny resaka sosialy ary ny fanamafisana ny fivondronan'ny mpitrandraka. Ahena ny velaran-tany azon'ny mpintrandraka iasana "permis de recherche". Raha 10 000 km2 izany teo aloha dia ny antsasak’io na 5 000 km2 sisa no homena azy ireo. Toy izay koa my fanomezana taratasy fahazoan-dalana hitrandraka. Raha 1 000 km2 izany teo aloha dia hatao 500 km2 sisa. Tanjona ny ampisitrahana ny malagasy rehetra tombotsoa avy amin'ny fitrandrahana. Nolazaina fa homena lanja manokana ao anatin'ity lalàna vaovao ity koa ny vondrom-paritra hitsinjaram-pahefana amin'ny alalan'ny fanomezan-danja ireo toerana fanaovany fomba netim-paharazana. Ny zoma izao no voalaza fa handalo fanapahana io lalàna io. Ao anatin’ny fanovana ankehitriny raha ho voatazona amin’io, zara raha niakatra ny tamberiny ho an’ny Vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana na CTD izay 1,4% lasa 1,5% izany hoe: 7% monja ny tahan’ny fiakarana. Raha 0,6% kosa ny an’ny Fanjakana foibe dia niakatra ho 3,5% izany hoe: niakatra ho 483%. “Ilay 1,5% no zarain’ny faritany, faritra, kaominina,… izany hoe: samy manana 0,5%. Andrazana ny fanapahan-kevitra farany hoe: hojerena io lafiny nampiady hevitra io sa hanao ahoana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap