airtel

Actualités

05-mars-2024

Lalao Afrikanina 2024

Efa misy tonga any Ghana ny Malagasy

Sample post image

Handray anjara amin'ny taranja miisa 12 i Madagasikara.

05-mars-2024

Efa any an-toerana moa ny ampahany ahitana ireo mpilalao échecs sy tennis ambony latabatra. Ankoatra ireo taranja ireo dia mandray anjara koa ny Malagasy amin'ny basket 3x3 lahy sy vavy, ny karaté, ny tolona, ny fibatana fonjamby izay antenaina hitondra ny volamena maro amin'ny alalan'i Rosinah Randafiarison sy Andriatsitohaina. Eo koa ny rugby vehivavy lalaovin'ny olona 7, ny Taekwondo, ny Bras de fer, ny Atletisma, ny judo ary ny karaté izay lasa roa sisa raha 9 nomanina. Eo fihenan'ny mpandray anjara io indrindra no tena naha be resaka satria tsy tena mazava ny fitsipi-dalao.Milaza moa ny ministra Haja Resampa fa ireo mety mitondra medaly ihany no alefa nefa dia misy tokoa ireo taranja handeha hitsantsangana any Accra.- Ghana Ny azo antoka fa hitondra medaly mody aloha hatreto dia i Rosinah Randafiarison amin'ny fibatana fonjamby sy Laura Rasoanaivo eo amin'ny judo ary ny basket lehilahy 3x3.Ny ankoatra izay mbola tena ankamantatra raha tsy hiresaka afatsy tennis sy karaté ary taekwondo isika.Ho hita eo ihany ny tohiny fa tsy hivoaka eo ve ny marina ?
Clément RABARY
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap