eo ho eo rehefa voasarik’ireny lalao mena mahazo ireny tao Fianarantsoa tampon-tanana tao. Raha araka ny fantatra dia avy any ambanivohitrabe io lehilahy io. Tsy mbola mahalala ny fikafikan’ireo mpanao lalao mena mahazo izy araka izany ka banky ropotra vao navelan’ireo tsy mataho-tody. Vola 100.000Ar tokony hividianany entam-barotra no lany fongana tsy nisy tao anatin’ilay kitapokely nentiny ka saika tsy niverina ny sainy. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia mirongatra tanteraka ireo ny karazan-dalao miaro fitaka toy ny mena mahazo amin’izao ao Fianarantsoa ao. Toraka izany koa ny filalaovana karatra, ny fampiasana vola amin’ireny karazana lalao hatao amin’ny finday ireny…. Miantso ireo tompon’andraikitra mba hijery akaiky izany ireo mponina any an-toerana. Tsiahivina moa fa ny lalao mena mahazo dia fandrotsahana volakely havadika ho volabe. Iray amin’ny olona 200 isa mpandray anjara anefa no mety hahazo raha betsaka fa ny ankoatra izay tsy miala maina toy ny takotra avokoa.
Pati
Legende : Nihampanampana tahaka izao ity lehilahy ity nijery ny fahalian’ny vola tao anaty sakaosiny !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny