airtel

Actualités

31-juil-2024

Lalatiana Henriette Rakotondrazafy

Lasa mivoy firaisankina sy fifankatiavana fatratra

Sample post image

Lasa mivoy firaisankina sy fifankatiavana fatratra amin’izao fotoana izao ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina

31-juil-2024

teo aloha, Lalatiana Henriette Rakotondrazafy. Heverina fa tsy misy maha ratsy izany saingy tonga amin’ilay fomba fiteniny fony izy mpanenjika fatratra ny fitondrana teo aloha Ravalomanana sy Rajaonarimampianina mo aizy ity hoe «dia gaga ialahy». Tena tsy manana olona hankahalaina intsony tokoa ve ity minisitra teo aloha ity? Tena lasa baikoin’ny fitiavana tanteraka tokoa ve no sady lasa mpivoy fihavanana? Nanaitra ny mpanara-baovao ny fanehoan-keviny niaro ny mpilomano malagasy raraka tanaty lalao olaimpika, Jonah Raharivel, nanao hoe tena hoe niandrasana kendry tohana ilay atleta. Vao hoe resy tany amin’ny lalao olimpika, hoy ity minisitra teo aloha ity, dia namatrapatrarana fanenjehana, fanompana, fanendrikendrehana sy ny maro tsy voatanisa. Tsy afaka mandinika kely na mametra-panontaniana kely hoe fa inona no anton’ny inona amin’izay zavatra miseho ny sasany fa tena mailaka hitsara sy hanaratsy an’ilay atleta, hoy izy. Tsy mety mihitsy ve nefa raha tsy mampiseho fankahalana? Inona no tena tombontsoa azo amin’ilay hoe mahay miteny ratsy be sy manompa be ary faran’izay mahay miteny mandratra indrindra? Tena mendrika an’izany ve io atleta malagasy io nefa na inona na inona lazaintsika dia nisolo tena ny firenentsika izy tany, izany hoe, nandeha niady izy hiaro ny voninahitr’i Madagasikara. Tena hoe tsy maintsy nanaovana fanakianana sy fanivaivana feno fankahalana toy izany ve izy satria hoe resy? Manahy sahady aho. Aza misy resy hafa eo ireo solotenantsika hafa ireo fa dia hatao tahaka an’io mpilomano io ihany koa ny henjika sy ny ompa ary fanaratsiana hahazo azy ireo. Enga anie ho diso aho! Aleo fitiavana toy izay fankahalana. Manangona lonilony sy haizina ao am-po ity mankahala sy manenjika olona lava ity! Tena tsy hitako izay tombony na kely aza. Tsy aleo ve tohanana ireo atletantsika fa ireo no antsika? Ny an’ny hafa tsy omeny antsika mihitsy fa ny antsika no andao hankaherezina dia hanehoana firaisankina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2025

Nifanontona tamin’ny fihaonambe faha 5 an’ireo mpitondra fanjakàna anatin’ny vaomieran’ny

Card image cap
25-avril-2025

Niseho indray ny tsy nampoizina omaly teny amin’ny CCI Ivato, tao anatin’ny fanokafana ny Fivoriamben’ny

Card image cap
25-avril-2025

Filaminana sy fahaleovantena ara-tsakafo ho fampivoarana ny tsenan’ny Indianocéanie”,

Card image cap
25-avril-2025

Naverin'i Maurice amin’i Madagasikara ireo volamena milanja 25,5 kg izay nisy nanondrana

Card image cap
25-avril-2025

Miezaka hanome ny tsara hatrany amin’ireo tolotra ara-pizahantany ireo

Card image cap
25-avril-2025

Hotanterahina ny 28 Aprily hatramin’ny 04 Mey 2025 ny “Foire Digitale” na

Card image cap