airtel

Actualités

04-mai-2023

Actualités

Lalatiana Rakotondrazafy Nanitrikitrika fa malalaka ny fanaovan-gazety eto

Sample post image

Nanome lesona ho an’ny mpanao gazety eto Madagasikara ny Minisitra mpiahy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo omaly 03 mey 2023, andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.

04-mai-2023

Mila haverina sy hampahatsiahivina sy mila tenenina ka haveriko foana hoe: malalaka ny fanaovan-gazety eto Madagasikara, miantoka ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izay tsy nananatsika tamin’ny tany aloha ny lalàna 2020-006 tamin’ny 01 septambra 2020, ary tsy ny governemanta ary tsy ny fitondrana no manakana ny fahalalana”, hoy io Minisitra io. Misy ny ambana, dia ny tsy fifehezan’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ny lalàna izay mifehy azy, hoy izy, no olana, hany ka diso hatrany ny fanehoan-kevitra manodidina ny firesahana ny fahalalahan’io sehatra io, hoy ity Minisitra ity. Ambana faharoa, hoy ity minisitra ity, ny fipariahan’ny vaovao diso izay tsy amin’ny tambajotra sosialy ihany fa na amin’ny haino vaky jery aza dia lasa tsy mahataitra ny fanapariahana vaovao diso sy famadihana vaovao. Lasa ambana ho an’ny fahalalana sy ny demokrasia, hoy hatrany izy nanitrikitrika. Ambana fahatelo ny lentam-pahalalana ho an’ny mpanao gazety eto izay nambarany fa ambany, ka tsy maintsy miaiky isika fa mbola ambany ny lentam-pahalalan’ny mpanao gazety eto Madagasikara satria isika ihany angamba anisan’ny sehatra asa matihanina mbola afaka manao gazety na tsy nianatra ho mpanao gazety aza. Nanamafy io minisitra io, fa raha mbola ny mpanao gazety iray no tsy mahay manavaka ny fandikan-dalàna amin’ny fanaovan-gazety “délit de presse” sy ny fandikana ny lalàna fototra na “délit de droit commun” dia ambana izay. Tahaka izany ihany ny tsy fananana fomba fiasa matihanina amin’ny fanamarinam-baovao, izay tokony handeha ho azy. Izay ny fijerin’ny minisitra, fa raha mivelatra amin’ny fijery hafa dia namoaka ny RSF (Reporters Sans Frontières) fa nihemotra ho faha-101 indray isika raha faha-98/180. Diso ve io amin’ny Fanjakana ? Tena endriky ny fahalalahana ve ny fanakatonana ankolaka na mivantana haino aman-jery na tsy famelana azy hositrahan’ny any amin’ny faritra? Notapahana, ohatra, ny fandefasana ny MBS amin’ny “bouquet satéllitaire”, izay tsy fiarovana na fiandaniana aminy, fa tena tsy ara-drariny satria raha ny lojika dia ilay haino aman-jery mihitsy no nakatona fa tsy hoe: misy ampahana Malagasy tsy mahazo mijery. Betsaka ny orinasa mangataka ny hiditra ao anatin’io fa tsy tafiditra noho ny tsindry,... Vao tsy ela ny fanakatonana ny La Gazette de La Grande Ile, izay tsy hidirantsika ny olana teo amin’ny tompony sy izay mpifanandrina aminy, fa misy mpanao gazety sy fiainan’olona maro no potika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Simba ny fitaovana, mihena ny angovo, ela vao feno ny vatoaratra, potika ny fihariana.

Card image cap
02-oct-2023

Zava-doza tsy roa aman-tany no nataon’ny lehilahy iray tany Toamasina izay nahasahy nandatsaka

Card image cap
02-oct-2023

Lasa fialam-bolin’ireo vahiny tonga tany amin’iny faritra andrefan’ny Nosy iny rehefa faran’ny herinandro tahaka izao ny mitifi-borona.

Card image cap
28-sept-2023

Teo am-pamaranana ny boky soratako mikasika ny tsiahin'ny taona fitopolo sy ny manodidina azy ary koa ny

Card image cap