airtel

Actualités

12-sept-2022

Actualités

Lanonana ara-panjakana Fifandrifian-javatra ve ny faty olona matetika sa… ?

Sample post image

Efa fanamarihana nentina teto hatrany amin’ny novambra 2020, ankoatra ny tany amin’ny raharaha 2009 sy ny tetezamita ny fisiana fahafatesan’olona sy ra mandriaka,

12-sept-2022

toa nifanandrify tamin’ny hetsika lehibe nataon’ny Fitondrana Rajoelina. Asa na fifandrifian-javatra ihany na misy antony hafa mihitsy? Tamina fotoana telo samihafa nanaovan’ny Fanjakana hetsika sy fety tamin’ireo tanàna sy vohitra masina faha-mpajaka teto Antananarivo, dia nisy faty olona hatrany. Ny takarivan’ny 19 janoary 2019 nanaovan’ny Filoha Rajoelina fihanianana: nihotsaka ny vatobe sy ny tany teny Ampamarinana namoizana ain’olona 10 teo raha kely indrindra. Ny takarivan’ny 26 jona 2019 nisian’ny fampisehoana tetsy Mahamasina taorian’ny lanonana ara-panjakana indray, dia mbola nisy ihany koa ny loza mahatsiravina nahafatesana olona 17 sy naharatrana 70 tany ho any vokatry ny fifanosehana. Nosembanin-drahona iny ihany koa ny lanonam-pitokanana teny Anatirova ny 06 novambra 2020 rehefa nitambotsotra tampoka ary tsy tana ny ain’ny Ampanjaka iray. Ny efa ela ireny, fa ny tato ho ato indray: tsy tena ny Fanjakana no tompon-danonana saingy seriny dia seriny tao anatin’izany, niezaka nanisika ny loko politikany tao anatin’ny Fihaonamben’ny tanora katolika farany teo. Mety fifandrifian-javatra ihany, ary sokajiana hoe tonga ny antson’Andriamanitra, fa dia nisy mpitondra fivavahana nodimandry. Iny indray ny tany Ambilobe ny 09 septambra teo, fa nisy olona maty isan’ireo notaterina tamin’ny kamio handeha hihoby ny Filoham-pirenena nandritra ny fitokanana ny làlam-pirenena RN5A, saingy toa niniana nafenina sy tsy noresahana. Nifanindran-dàlana tamin’io ny loza mahatsiravina nahamaizan’ny tanànan’Ambilo ao Betsiaka Ambilobe,… Ny trangana faty olona mikararana noho ny tsy fandriampahalemana, loza mahatsiravina, tifitra variraraky ny manam-basy,… moa toa mitady ho efa tranga tsy vaovao intsony amin’ny fiaianam-pirenena. Sanatria ny hoe: faly hitanisa loza sy hampahatsiahy faty olona fa mahalasa saina sy mampametra-panontaniana ihany anefa ny zava-misy hoe: fifandrifian-javatra ihany ve ireny sa misy antony sy ambadika sarotra takarina ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap