Ho an’ny any amin’iny distrikan’Anjozorobe iny dia fantatra fa efa tena koka sy antitra izany nefa tena ahitana ireo karazam-boky maro samihafa manabe sy mampiala voly ny mponina ary mampitombo ny fahalalana ireo kilonga madinika sy ankizy mpianatra. Tonga nitsidika ity CLAC iray any an-toerana ity ny teo anivon’ny Ministeran’ny kolontsaina ny faran’ny herinandro teo izay tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny iray volan’ny teny Malagasy , tao anatin’ilay loha-hevitra hoe : Andao hamaky boky. Fifaninana tononkalo, fitantarana angano, niampy hetsika ara-kolontsaina maro samihafa no nentina nanamarihana izany tamin’io andro io. Ity moa no CLAC faha-6 amin’ireo 27 isa manerana ny Nosy notsidihin’ny Ministera mpiahy. Nambaran’ny teo anivon’ny tranom-bokim-pirenena kosa fa tsy hipetra-potsiny intsony izy ireo manomboka izao fa hamelon’aina ireo CLAC manerana ny Nosy ho tombontsoan’ny rehetra.
Pati
Legende : Hanampiana ireo kilonga ety ambanivohitra ho tia vaky boky ny CLAC !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny