izay nalaina am-bavany sy nanaovana fanadihadiana. Raharaham-pitantanana nanomboka ny 2018-2021 no voalaza fa nitoriana azy ireo, ka isan’izany ny fizaram-bola “prime” manodidina ny 1 miliara Ar mahery ho ana mpitantanana telopolo latsaka teo, ny resaka famoronana toerana sy asa tsy voafaritra ao anatin’ny rafitra na “organigramme” an’ny jirama, resaka fividianana fiara sy figogoana tombotsoa tsy hita pesimpesenina kanefa ny orinasa banky ropitra,…. 180 tapitrisa Ar no voalaza fa azon’ny Tale Jeneralin’ny (DG) Jirama teo aloha Vonjy Andriamanga tamin’ilay “prime”, 140 tapitrisa Ar ny an’Atoa Rivo Radanielina Tale Jeneraly lefitra,… Nanomboka tamin’ny 9ora maraina teo ny fakan’ny PAC am-bavany ny alatsinainy teo, ary tsy vita raha tsy omaly talata tokony ho tamin’ny 1ora sy sasany maraina. Vokany, tale miisa 3 no naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora: ny Tale misahana ny mpiasa sy ny mahaolona na DRH teo aloha, Tale ara-bola na DAF teo aloha, ary ny Talen’ny CMS (Centre Médicale Sociale) eo anivon’ny Jirama. Ny ambiny eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana na “Sous Contrôle judiciaire” ary olona miisa 3 hafa namoahana didy fampisamborana izay tsy iza fa ny Tale jeneraly vonjimaika ankehitriny Rivo Radanielina, Ny Tale Jeneraly teo aloha Atoa Vonjy Andriamanga, ary ny Tale Kabinetra teo aloha Rtoa Onja Rasamimanana. Ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo ankehitriny izay nitarika ny fanaovana tombana tao anatin’ny Jirama moa no voalaza fa isan’ny lohan’ny mpisorona tamin’ny fitoriana. Raha ny resaka mandeha, ahiana ho tsy eto an-toerana intsony ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny Jirama fa efa tafavoaka any ivelany na nisy fotoana aza efa namoahana IST (Interdiction de Sortie du Territoire) ary nisy fotoana tsy tafavoaka teto raha nikasa ho any ivelany. Atoa Vonjy Andriamanga ihany koa voalaza fa tsy eto intsony, fa lasa niasa any ivelany. Ity farany izay tsiahivina fa efa minisitry ny angovo sy ny akoran’afo tamin’ny governemanta voalohany tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ary nesorina ny volana novambra 2019 rehefa nisy ny fikorontanana tamin’ny famatsiana solika, ka voalaza tamin’izany fa isan’ny nandakana azy ny fikitikitihana ny nampiharany sazy ara-bola ny orinasa Logistique Pétrolière, Total ary Vivo (Shell) ny 28 oktobra 2019 noho ireo nahiana ho fototr’ireny fikorontanan’ny famatsiana solika nampisavorovoro teto Antananarivo Renivohitra. Natao Tale Jeneralin’ny Jirama, saingy nesorina ny 13 oktobra 2021, ka nanomboka teo no tsy dia re firy intsony. Tsy fantatra na eto an-toerana na any ivelany ihany koa Rtoa Onja Rasamimanana ?
Légende : Karohina fatratra i Vonjy Andriamanga sy Rivo Radanielina ary Onja Rasamimanana
Toky R
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny