airtel

Actualités

15-juin-2023

Actualités

Laser» raisina ho toy ny kilalao Mananatra ny zandarimariam-pirenena saingy…

Sample post image

Raha ray aman-dreny tokoa ka mahalala ny tokony ho izy, ny mety sy ny tsy mety dia tsy hividy itony ho an'ny zanany,

15-juin-2023

hoy ny hafatry ny avy eo anivon’ny CIRGN Antananarivo, mikasika irony «laser» na jiro mena lasa ifampitarafadrafan’ny ankizy ankehitriny itony rehefa volana jona toy izao. Rehefa eny an-tanan'ny zaza izy dia hafa mihitsy ny fampiasany azy, hoy hatrany ny avy eo anivon’ity sampana iray eo anivon’ny zandarimaria ity. Angamba tsy kilalao ny anaran'itony zavatra itony, hoy izy ireo. Etsy ankilany dia mametra-panontaniana tokoa ireo ray aman-dreny mahalala tsara ny zava-doza mety aterak’izy itony hoe fa ahoana tokoa moa no maha tafiditra azy hatrany eto Madagasikara rehefa hoe akaiky fetim-pirenena toy izao? Tsy afaka mandrara ny fidirany eto ve ny fanjakana malagasy? Iza no mahazo ny tsena hidiran’izy itony eto? Hatraiza ny fandraisan’andraikitry ny fitondrana malagasy ho fiarovana ny aina sy fahasalam-bahoaka manoloana na to-javatra heverina ho madinika nefa mety hanimba ny olompirenena tahaka izany? Mananatra eto ny zandarimaria saingy aiza ny fandraisan’andraikitry ny fitondrana foibe?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap