airtel

Actualités

03-févr-2026

Lasibatr’i Fytia ny Faritanin'i Mahajanga

Manamafy ny fanampiana

Sample post image

ireo traboina ny Fanjakana

03-févr-2026

Nidina ifotony any Mahajanga mijery ireo distrika tena lasibatry ny Rivodoza Fytia ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael nanomboka ny takarivan'ny alahady teo maharitra 3 andro. Miaraka amin’ny Vadiny, ho fankaherezana sy fanohanana ireo mponina niharam-boina. Anisan’ny hetsika ataon’ny Fitondram-panjakana ho setrin’ny voina sy ho fanehoam-pirahalahiana amin’ireo tra-boina ity fitsidihana ity, ankoatra ireo fanampiana vonjy taitra efa nentin’ny BNGRC. Nilaza raha nitsidika tao Tsaramandroso ny 01 febroary teo fa tsy hamela irery, efa miasa ny BNGRC, misy sakafo zaraina anatin'ny 5, andro! An-dalana ny vary 145 taonina ho an'ny traboina! 1 gony isaky ny fianankaviana, vola 10 tapitrisa, groupe électrogène 5KVA ho an'ireo fianakaviana traboina ao Mahajanga. Nitsidika ny EPP Fiopio ihany koa ny Filoham-panjakana sy ny Vadiny niaraka tamin’ny delegasiona ofisialy, ary nifarana tamin’ny fihaonana tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ny andro, ho fandinihana ny fepetra fanarenana sy ny fandraisana an-tanana maharitra. Ankoatra Mahajanga dia tafiditra tao anaty fandaharam-potoan'ny Filoha fitsidihany i Soalala, Besalampy,... Vao maraina omaly no nanainga niazo an’i Soalala ny Filoham-panjakana izay nilaza fa nisy niteny azy mba tsy ho any fa hisy zavatra hahazo azy saingy tsy nahasakana azy tsy hijery ireo vahoaka, raha ny filazany, izay nanipika fa tany manan-karena i Soalala. Ny Kaominina Andranomavo, Ambohipaka, Soalala, Ankasakasaka no notsidihin’ny Filoha, izay mbola tao anatin’ny toetr’andro ratsy tanteraka omaly. Nisy ny fanolorana vola 50 tapitrisa Ar ho fanampiana ireo vahoaka traboina, ankoatra ny fanohanana samihafa ara-tsakafo, ara-pitaovana,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap