airtel

Actualités

28-nov-2024

Latsaka an-katerena ny firenena

«Aoka ny fitondram-panjakàna hitandrina amin’ireo findramam-bola!»

Sample post image

Rehefa miresaka vola indramina amin’ireo mpiara-miombon’antoka hoe mifandraika amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara

28-nov-2024

dia tsy misy maha ratsy izany, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Fiombonana, Durlin Retogniane. Latsaka an-katerena tsinona, hoy izy, ny firenena ary iaraha-mahalala fa tsy manam-bola ny fitondram-panjakàna. Rariny raha hihindram-bola amin’ireo mpiara-miombon’antoka, eny fa na dia atao hoe fifanarahana amina firenena miisa 2 fotsiny aza. Indrindra moa fa hoe fifanarahana marolafy na «coopération multilatérale» toy ny hita ankehitriny. Ny tsy hintsiny fotsiny dia hoe tena hisy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka ve ilay izy sa ho lasa ho baben’ny firenena malagasy sy ny vahoaka eto Madagasikara? Marina fa atontona amin’ny fotodrafitrasa. Tsy azo lavina izany satria manana ny tetikasany ny fitondram-panjakàna. Ilay vola atontona amin’ny fotodrafitrasa ve tena amina fotodrafitrasa hipaka amin’ny fiainam-bahoaka? Matiantoka tsinona ny vahoaka malagasy raha tsy izay! Miandry ny tamberinandraikitra avy amin’ny mpitondra ireo vahoaka ireo taorian’ireny fampanantenana tamin’ny propagandy ireny. Aoka ny fitondram-panjakàna hitandrina amin’ireo findramam-bola atao amin’ireo mpamatsy vola ary tokony hipetraka ny laharam-pahamehana amin’ireo izay tetikasa entina hampiasana ireny vola ireny! Rehefa tsy izay no zava-mitranga dia lasa latsaka an-katerena foana ny firenentsika satria babentsika mandritry ny 50 taona na mahery mihitsy aza ireny trosa ireny. Ny dikan’izay dia tsy izao fitondràna izao ihany no hibaby azy fa izay fitondràna hifandimby eo. Ny anjara andraikitry ny solombavambahoaka dia mijery ireny findramam-bola atao amin’ny mpiara-miombon’antoka ireny. Ry zareo tsinona no mahalala ny maharary ny vahoaka any amin’ny distrika nahalany azy ireo avy. Raha tsy mijery izay laharam-pahamehana any amin’ny distrika nahalany azy avy izay ny solombavambahoaka dia mazava ho azy fa tsy misy ilay tamberin’andraikitra andrasan’ny vahoaka amin’izy ireo ihany koa. Mila mitandrina isika vahoaka amin’ireo olona nomentsika fahatokisana hitondra ny feontsika eo anivon’ny antenimieram-pirenena. Ny mahagaga sy mitranga dia ny tombontsoan’ny fitondràna no arovan’ireo solombavambahoaka fa tsy ny tombontsoan’ny vahoaka. Izay rahateo no mahatonga antsika leo politika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap