izay ho Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina ny Fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Rtoa Rasata Rafaravavitafika. Nambarany fa tsy faharesena velively, ary diplaomasia misy fahasahiana goavana ny firotsahana, kanefa hita soritra ny tsy firaisankina amin’ny samy Malagasy. Na tsy lany aza ny kandida ho Filohan’ny Vaomiera, dia misy mpikambana ao anatin’ny Vaomiera momba ny lalàna iraisam-pirenena (CUADI) satria voatazon’ny Dr Ramananarivo Narindra Arivelo ny toerany, lany tamin’ny isam-bato ambony 44/49 ny tenany. Izy izay marihina fa efa mpikambana tao anatin’io rafitra io nanomboka ny taona 2018, ary izao mbola lany izao. Mikasika ny fifidianana tsy nahalany ny kandida ho filohan’ny CUA kosa, «…Ny mampalahelo anatin’ny fifaninana tahaka itony dia mazana ny samy Malagasy no mifandrabiraby, tsy nisy ny firaisankina. Any ivelany anefa miray hina foana rehefa voninahitry ny Firenena na inona na inona firehana politika. », hoy ny Lehiben’ny diplaomasia Malagasy. Raha izany tokoa, tsy afaka nampandeferina ve ny hambo-po politika tamin’ny fanolorana kandida nanana herijika kokoa ? Mba nandinin-tena ny anton’ny tsy fahombiazana ve ny Fitondrana na nandany vola sy fotoana nitety an’i Afrika ary niditra an-tsehatra hatramin’ny Filoham-pirenena aza ? Tsy mandray lesona ny fitondrana, ary mieritreritra fa azo teren-ko masaka ohatran’ny atao amin’ny Malagasy io. Efa tsy atokisan'ny olona, efa ratsy naoty amin'ny zavatra rehetra ataony : fahantrana, toekarena, demokrasia, kolikoly,… Dia manantena ve ianao fa izany no hanankinan'ireo firenena 55 mpikambana ao amin’ny UA ny politikany sy diplaomasiany ? Ny SADC aza nilaza hanohana kanefa 10/16 no nandrotsa-bato, nihena 7, lasa 5,… Nodradradraina nanakoako tsy teto ihany fa hatrany ivelany fa ny Filoha Malagasy no voafidy ho mpitarika mendrika indrindra taty Afrika ny taona 2024 saingy tsy nitondra tsio-drivotra miabo tamin’ny fifidianana nandraisana anjara. Tsy resy lahatra izany ny Afrikanina ! Manamafy sy mampibaribary, tsy dia asian’ny olona lanjany toy ny tamin’ny tetezamita ihany ny mpitondra eto, maivana ny diplaomasia Malagasy,… Na ny minisitry ny raharaham-bahintsika aza moa efa fanimbalony nisolo hatramin’ny taona 2019 niverenan-dRajoelina teo amin’ny fitondrana.
Toky R
Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),
DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely
Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny
Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,
Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny