airtel

Actualités

22-janv-2024

LEHIBEN’NY BORIBORINTANY FAHATELO

Fokontany 16 isa no efa nanaovana fidinana ifotony

Sample post image

Tsy tambo isaina sahady ny asa vitan-dRazafimandimby Rija Ethel,

22-janv-2024

lehiben’ny Boriborintany fahatelo vaovao taorian’ny nanendren’ny tompon’andraikitra azy hisahana io toerana io. Tato anatin’ny telo herinandro izao dia Fokontany miisa 16 no efa nanaovany fidinana ifotony, niaraka tamin’ireo delegasiona notarihiny. Nijerena ireo olana fototra misy isaky ny fokontany ao anatin’ity Boriborintany iray ity no anton’izany no sady hanomezan-danja ny lafiny mahaolona ihany koa. Narahina asa avy hatrany izany ka anisan’ireny ny fanaovana asa fanadiovana faobe, ny fanadiovana ny tata-drano, ny fandrakofana dalles maromaro ireo toerana banga na tsy nisy izany teo aloha, ny fanamboarana ireo lalana tany an’elakelan-trano ahiana handratra ny mponina indrindra fa ireo zokiolona sy ny ankizy mpianatra. Nisy ihany koa ny fihaonana tamin'ireo sokajy rehetra misy ao anatin’ny Boriborintany fahatelo toy ny orinasa, ny fikambanana, ny sefom-pokontany, ny sekretera mpitantam-bola ary ireo antokom-pivavahana misy. Tsy latsa-danja tamin’ireo ny fanentanana ny mponina mba hahay hanaja ny orea fanariana ny fako sy fandoavana ny hetran-jaoridira. Raha araka ny fantatra moa dia hitohy hatrany izany fidinana ifotony hataon’ny lehiben’ny Boriborintany fahatelo izany hijerena hatrany ireo vahaolana mahakasika ny fiainam-bahoaka mivantana. Misokatra ho an'ny rehetra moa ny fiaraha-miasa eo amin'ny Boriborintany fahatelo.
Pati
Legende : Nandritra ny fidinana ifotony notarihin-dRazafimandimby Rija Ethel, lehiben’ny Boriborintany fahatelo !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap