airtel

Actualités

07-août-2023

Actualités

LEHILAHY MIVARO-TENA Mahazo 40.000 Ar isan’andro raha kely

Sample post image

Milaza ho lasa be mpankafy noho ny vehivavy ireo lehilahy mivaro-tena eto an-drenivohitra. Mahay lavitra noho ny vehivavy hono mantsy izy

07-août-2023

ireny raha ny fahaizana mihaingo sy miangolangola ary mampiresaka hoy ny loharanom-baovao azo. Mitondra 40.000 Ar mody isan’andro araka izany ny iray amin’izy ireny raha kely. Raha araka ity vaovao azo ity hatrany dia amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao no tena mahatsara ny asa fiveloman’izy ireo. Asa na noho ny fitadiavana hafanana katsahin’ireo mpanjifa azy ireny no antony mahatonga izany na tsia. Ho an’ireo vehivavy mpivaro-tena kosa anefa dia eo ho eo ihany ny tsena na dia mangatsiaka aza ny andro. Ny faran’ny herinandro indray no nambaran’izy ireny fa mampety ny tsenany indrindra fa ny Zoma alina. Mikasika ireo lehilahy mivaro-tena manokana moa dia fantatra fa tena manaparitaka haingana ny aretina SIDA amin’ny olona ny fisian’izy ireny. Ny 15 %-n’ireo olona lasibatry ny SIDA eto amintsika mantsy dia vokatry ny fiarahan’ny lahy samy lahy avokoa na vavy samy vavy. Ny 7% dia ireo mpitsindrona zava-mahadomelina raha ireo mpampanofa tena ny 5%. Nitombo ho 34,72% moa ireo olona voan’ny SIDA teto amintsika tao anatin’ny enim-bolana ho an’ny taona 2021. Raha niisa 8.034 izany ny volana Desambra tamin’io taona io dia tafakatra 10.836 izy ireo ny volana Jona taona 2022.
Nangonin’i Pati
Legende : Resin’ireo lehilahy mivaro-tena ireo vehivavy mivaro-tena sasany !

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap